Politique

Rivo Rakotovao “Fandaniam-bola fahatany ny fiantsoana anay hivory…”


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Ao anatin’ny ara-dalàna, ary nohamafisin’ny HCC izay nangataka tamin’ny Lehiben’ny Governemanta.

 

 

Afaka miantso amin’ny hananganana « Commission mixte Paritaire » ny governemanta, hoy ny Filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao omaly. Ny fandaniana lalàna maromaro samihafa nakabana ho tolo-dalàna moa no anton’io. Maninona no tsy natao tamin’ny fivoriana ara-potoana na miandry ny fivoriana ara-potoana manaraka amin’ny oktobra? Mety hovaliana hoe maika! Any amin’ny 1 miliara mahery indray no ho lanin’ny parlemanta roa tonta satria tsy ao anatin’ny tetibola io, hoy I Rivo Rakotovao. Tamin’ny desambra tamin’ny herintaona anefa no tokony nanaovana azy fa tsy natao. Lalàna tsy misy ifandraisany no natambatra dia ny resaka antenimierandoholona, fitsapan-kevi-bahoaka, resaka harena an-kibon’ny tany, hoy I Rivo Rakotovao. Inona izany no hiadian-kevitra amin’izany, ary tsy mitovy amin’ny “amendement” io satria efa nolanian’ny Filoham-pirenena tamin’ny 2019? Tsy misy fanintsiana azo atao, ka “Ratification” no atao izany hoe eny na tsia, hoy izy. Sambany teo amin’ny tantara vao hisy an’io Kaomisionina io. Raha ilaina ny fanontaniana amin’ny HCC eo anatrehan’ny zava-misy dia atao, hoy i Rivo Rakotovao. Efa nanome ny hevitray nitsipaka an’ilay izy izahay, ary ny ankilany efa nanaiky, ka samy manana ny heviny, hoy izy. Ny nanakelezana ny tetibolanay, dia ny hoe samy mifehy kibo. Mifanitsy amin’ilay tenin’ny Filoham-pirenena hoe samy hifehy kibo ve izao? Raha azo nokajiana ka hanampiana ny sahirana mety mahavita firy, fa anjaran’ny nanapa-kevitra no mamaly an’izany? hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Tsy mbola tonga ihany koa ny tetibola hanaovana ny fivoriana kanefa tsy misy vola afahana tonga dia mandoa izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT