Politique

Rivo Rakotovao “Efa ny HCC sy ny primatiora no manao ny asanay ”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Naneho ny heviny manoloana ny valitenin` ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana (HCC) mikasika ny fifidianana loholona ny filohan`ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao.

 

“Tsy mahagaga. Efa nampoizina. Ny filohan`ny HCC aza efa namoaka didy mialohan`ny fitsarana. Niara nahita izany. Ny HCC izany dia lasa mpanao lalàna ihany koa. Mifangaro ny fahefana mpanao lalàna sy fahefam-pitsarana. Mbola manao ny asan` ny mpanatanteraka aza izy ireo. Ankoatra izay dia kely sisa dia Andriamanitra. Izahay kosa mijoro foana rehefa misy zavatra eritreretinay tsy mety eo amin`ny firenena”. Mahakasika ny tetibola voasoratra ho an` ny Antenimierandoholona dia nambarany hatrany fa tsy fanarahan-dalàna ny fanakànana ny fampiharana izany. “Tokony hafindra eny amin`ny HCC sy ny primatiora ny fivoriana ara-potoanan`ny parlemantera manaraka. Efa zareo no manao ny asanay. Atao inona ary izahay? Sary vongana fotsiny? Sa fantatra hoe hay izay ilay repoblika? Mila senatera ilay izy? Atao kilalaony fiainam-pirenena. Aleo tsorina amin`ny vahoaka dia mamoka didy ny HCC dia milaza hoe aleo atao aty aminay dia tapahina ilay izy. Lasa kisarisarin-javatra ny hoe demokrasia, isika repoblika nefa misy fahefana mibodo ny fahefan`olon-kafa amin`ny fotoana izay hitadiavany azy”, hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa ny lalàna no mamaritra tetibolan` ny antenimeirandoholona izay voadinika anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mandritra ny fotoam-piviorian`ny parlemantera.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT