Naneho ny heviny ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao teo anatrehan’ny Filazan’ny Minisitry ny vola fa nalefa any Atsimo ny vola hiasan’io Andrim-panjakana io.
Tsy aleo ve ilay 1000 miliara Ar tsy fantatra hoe ampiasaina amin’ny inona no hanaovana izany? Ajanony ary ny kianja, aza lalaovina ny Malagasy raha tena mijery ny any Atsimo. Tsisy ampaharivon’ny vola tehirizina ao amin’ny Minisiteran’ny tsisy fanazavana, tsy miteny tsy mivolana, hoy izy. Lalaovina ny hoe mimenomenona ny antenimierandohonona, tsy nieritreritra ny any Atsimo, ka fanambakana vahoaka izany, raha ny voalazan’I Rivo Rakotovao. Ny fahafatesana, ny havana ory, tsy manan-kohanina no lalaovinao. Ho anontaniana anao izany rahampitso, hoy izy. Lalàna fehizoro io ka aiza ny didim-panjakana namindrana ny vola amina tetikasa hafa? Hoy hatrany I Rivo Rakotovao.
“SAMY HIJINJA IZAY NAFAFINY KA MITANDREMA”
Ny alatsinainy teo, dia teny fampisaintsainana no nentin-dRivo Rakotovao nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierandoholona omaly, izay nisy tamin’ireo Mpikamban’ny governemanta no nanatrika izany. Fivoriana ara-potoana farany ho azy ireo io. Lalàmpanorenana no resahina, ka tsy fombafomba atao fotsiny akory ka ho tsinontsinoavina satria tsy alamina araka izay tokony hieritreretana azy fa fanarahan-dalàna no atao, tsy fombafomba amam-panao ny fehezan-dalàna mifehy antsika, indrindra fa ny lalàmpanorenana, hoy I Rivo Rakotovao. Tsy fombafomba na sarintsariny fa ny hisehoan’ny rariny no tsy ho zaka, mila mitandrina ihany fa ny singam-bola anie ka mandavo ny vositra… Ny marina dia ilay tsy maintsy mipoitra fa toy ny volamena mipitika an-jorony ka tsy havelan’ny soany tsy hamiratra, ny rariny sy ny hitsiny dia ilay fanarahan-dalàna, koa aoka isika tsy hanadino Tompoko, fa izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja fifankahalana sy fifamaliana ka tsy tsara izany, nalaina tamin’ny dika teny malalaky ny mpanoratra iray. Mety ho famakafakana lalina izany, kanefa mifandona ihany koa amin’ny fiaraha-monina ara-tsosialy, ara-politika, ara-ekonomika, ara-pitantanana eto amin’ny firenentsika, ka anjarantsika no mieritreritra ahafantsika mandroso, hoy I Rivo Rakotovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.