Manahirana ny fitondran-tenan’ny olona hiditra sy ny mpiasa ato satria miasa ato izy izany.
Nisy ny efa nihaodihaody teny ny herinandro teo. Omaly, tonga mandrava birao, manilika ny dosie ao anatiny, mandoko trano, mametraka môkety,… Marina fa ratsiratsy ny trano ao na koa tsy mety amin’ny ilany azy fa mila hivim-panajana satria mbola tsy ny fifamindram-pahefana teto na indray mandeha aza, hoy hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao nampiaka-peo omaly. Nomena toromarika ny Sekretera jeneralin’ny antenimierandoholona, Talen’ny “logistique”, intendant du Palais,… fa aorian’ny fifamindram-pahefana vao manao izany. Misy anefa ny miantso sy miteny hoe omeo anay ny karaman’ireo loholona ireo mba hiadivanay ny anay, dia taitaitra eo ny Tale ara-bola. Hidiran’ny olona ny trano amin’ny 8maraina dia mijery fotsiny ilay “intendant” ka gaga aho hoe inona izany any ao ambany ao izany, hay mandoko trano sy mametraka mokety, gaga aho kanefa miaramila feno trano, ny lehiben’ny arofenitra no nanaitra hoe: niditra ao ry zalahy, hoy izy. Azonareo an-tsaina ohatra hoe nesorina ny praiminisitra dia ekena ve ohatra hoe eny Mahazoarivo na dia efa voatendry aza ny Praiminisitra vaovao tsy mbola nisy famindram-pahefana no tonga ianareo handoko trano ho mavovamavo na maitso? Fa izy ity ve bazary? Tsy misy olana ny hoe efa handeha ny loholona ankehitriny fa aleo hifanaja? Angaha efa nisy fanendrena ihany koa hoe itsy ny Filon’ny antenimierandoholona na itsy no efa Filoha lefitry ny faritanin’I Fianarantsoa? hoy izy. Ny 19 janoary izao moa no hivory voalohany ny loholona vaovao, ary tokony ho voatendry amin’ity herinandro ity ny 6 izay hatolotry ny Filohan’ny Repoblika. Ny 25 janoary kosa ny fifamindram-pahefana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.