Politique

Rivo Rakotovao « Aleo isika vahoaka hanaiky ny fepetra rehetra”


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Nitondra hafatra ho an` ny vahoaka Malagasy ny filohan` ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao, manoloana ny fiatrehana ny areti- mandoza entin’ny Covid-19.

 

 

Tsy aretina noforonina ny “coronavirus” fa mila fepetra io no sady mila fifehezan-tena  satria isika no miara-mandresy an`io aretina io, hoy izy. Hentitra ny fanjakana mba ahafahana miaro ny rehetra. Ny fampiharana ireo fepetra kosa dia tokony samy ao anatin` ny fifanajàna sy fanekena izay fahefam-panjakana satria tsy mety ihany koa ilay olona mitarika fanakorontanana, hoy ihany izy. Nohamafisiny fa tsy vitan` ny fanjakana irery no miady amin`ny “coronavirus”. Ireo fanjakana matanjaka lavitra noho isika aza tsy mahavita miady irery amin` izany indrindra fa isika. Noho izany, Aleo isika vahoaka malagasy mba hanaiky ny fepetra rehetra, hoy Rivo Rakotovao. Nanantitrantitra izy fa “izaho sy ianao samy manana anjara amin` ny andraikitry ny fiaraha monina handresenana an`io. Manome torohevitra ny fitondram-panajakana ary mampiasa ireo fitaovana rehetra izay eritreretiny mba ho fiarovana ho an` ny besinimaro.”

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT