Politique

Rivo Rakotovao Alentiky ny CEMGAM sy ny SEG…


  • Zoma 06 Martsa 2020

Raharaha nafampana tato anatin’ny 72ora ny mahakasika ny fanesorana ny miaramila sy ny fitaovam-piadiana tetsy amin’ny antenimierandoholona, izay nitohy omaly ny karazana fifamaliana ara-tserasera nataon’ireo voakasika mivantana.

 

 

 

 

BASY 5 VERY…

Tsy nanao tatitra isam-bolana ny antenimierandoholona, ka izay no tsy maintsy nandraisana ny fepetra. Volana vitsivitsy izay dia nisy ny fijerena ny fitaovam-piadian’ny tafika. Voakasik’izany ny toby rehetra sy ny andrim-panjakana. Io andrim-panjakana io irery no tsy nanao izany, hoy ny filohan’ny Etamazaoron’ny tafika na ny CEMGAM Jeneraly Rakotonirina Théophile. Anisan’ny nokianiny ny hoe tsy tetsy Anosikely ny Basy fa tamina trano iray ampiasain’ny antenimierandoholona eny Ampefiloha. Basy miisa 5 dia Pistolet Automatique na PA 9mm maodely Koreanina tao amin’ny antenimierandoholona no nambarany ka very, kanefa tsy misy taratasy momba izany mihitsy any amin’ny Etamazaoro. Ny olona ao dia misy karazana miaramila amina toby maromaro kanefa hatrany amin’ny rezimanta faha-4 any Mahajanga, ka izay aloha no nampodiana hahafahana mandamina izany.

 

NIALA NY TALEN’NY FIAROVANA…

Nametra-pialana ny Talen’ny Fiarovana eo anivon’ny Antenimierandoholona noho ny ambara fa fivoahan’ny tsiambaratelo na “secret confidentiel”. Manamboninahtra avy amin’ny zandary izy io, ka niditra an-tsehatra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena na ny SEG Jeneraly Ravalomanana Richard. Tsy hay na tsy fahaiza-manao na ahoana. Natao ho an’ny Talen’ny Filaminana ilay ambara fa taratasim-panjakana, kanefa dia navoaka tamin’ny tambajotra, ka izany no atao hoe “divulgation de secret confidentiel”, hoy izy. Nanda io Talen’ny Fiarovana io fa tsy avy aminy no nivoahan’ilay tsiambaratelo, ka niafara tamin’ny fametraham-pialany. Noho ny tsy mety izay nataon’ilay lehibeny no nametrahany fialana satria tsy mety aminy intsony ny manao Talen’ny Fiarovana ao amin’io andrim-panjakana io, hoy ny Jeneraly Ravalomanana. Misy ny fifampifehezana ho an’ny mpitandro filaminana ka tsy hoe rehefa miasa ao aminao izy dia heverinao fa ira-baotinao fa manana ny fitsipika mifehy azy ireny, ka zaranao aza mba misy miambina ianao, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Ravalomanana Richard. Tsy tokony hanaovana toetra tsy zaka tahaka ireny satria mety hanimba ny “carrière” an’ilay miaramila. Ahoana raha tsy mety hiasa amin’ireo intsony ny mpitandro filaminana izay zony no mandà tsy hiasa ao, hoy ity tompon’andraikitra ity. 

 

 

TSY MIDITRA AMIN’IZANY AHO…

Toa efa voavalin’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao nialoha ireo fanambaran’ny CEMGAM sy ny SEG ireo.

Momba ny hoe ny basy tsy ao amin’ny antenimierandoholona fa amina tranon’olona eny Ampefiloha akaikin’ny CNaPS, dia mahagaga hoe tsy fantatry ny manamboninahitra ambony ve fa Biraon’ny Antenimierandoholona io, ary tao no nisian’ilay tranga fisintonana findaina loholona iray nataona tompon’andraikitra ambony iray ankehitriny? Hoy I Rivo Rakotovao.  Trano mihidy sy misy miaramila miambina 24ora/ora no nampiana izany raha ny nambarany. Tany no tena nahafahana nampanara-penitra ny fiarovana. Tsy fantatro ny momba ny miaramila hoe tsy voaraikitra ny momba azy, fa resaka lalina sy hadihadiana lalina tahaka ny raharaha CENI izany. Tsy lojika izany hoe mahalala amin’ny antsipirihany ny isan’ny basy sy ny zava-drehetra ao amin’ny Lapa na ny Filohan’ny Repoblika aza. Izany no ilana ny Talen’ny filaminana. Tsy miditra amin’izany aho, fa ny lehibeny no mametraka ny fepetra hoe firy ny olona sy ny basy azo homena ? Mba anontanio ary ny Praiminisitra hoe firy ny basy ao Mahazoarivo ? Hoy i Rivo Rakotovao. Tambin-karama no raisiny aty fa tsy hoe lasa mpiasan’ny antenimierandoholona. Baiko ny azy, ary tafiditra tao anatin’izany ny fialana tao, izay tsy nohazavaina akory io andrim-panjakana io, raha ny nambarany.

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT