Politique

Rivo Rakotovao “Adino ve ny natao an-dRajaonarimampianina ?”


  • Zoma 26 Febroary 2021

Namotsipotsitra ny tokony hamoahan’ny governemanta ny marina momba ilay

 

 

 

raharaha nahafaty ilay mpianatra tany Toamasina ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM Atoa Rivo Rakotovao omaly. Matoa miteny an’iny ny mpitondra tenin’ny governemanta dia iny ve izany ny fehin-kevitra nivorian’ny governemanta hoe rehefa natao ny fanadihadiana dia hoe tifi-danitra ny nahafaty ilay zanaka? hoy izy, izay nanamarika fa tsy naheno hoe nisy “autopsie” sy fizahana lalina natao. Mikasika ny raharaham-pirenena ankampobeny, efa 90% amin’ny olona no sahirana, very asa,… raha ny tarehimarika mivoaka. Raha vao miteny dia hoe ianareo angaha no manana ny maro an’isa. Mahazo miteny na vitsy an’isa aza, hoy i Rivo Rakotoavao. Rehefa miteny anefa hoe nanao ahoana ny fitantanana ny vola tamin’ny covid-19 dia hoe inona no ilanareo izany, saingy mila izany olom-pirenena, mila tamberin’andraikitra. Miditra ao anatin’ny fanaporetana ara-tsaina ny Fanjakana. Isan’ny notsipihany ny tenin’ny Prefet dia ny hoe hajanona ny Miara-manonja. Inona no antony? Satria tsy mitovy hevitra ve? Amin’ny maha-olom-pirenena, dia zon’ny tsirairay ny mihaino izay tiany fa tsy misy fihoaram-pefy hoe andao hovonoina I ranona, hotorahina vato,… Ingahy prefe ve izany dia lasa mpanao sivana hoe iza no azon’ny Malagasy henoina na tsia? Hoy ity Filohana andrim-panjakana teo aloha ity. Notsiahivin-dRakotovao ny zava-nisy tamin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina hoe: iza no tsy niteny sy tsy naneho hevitra teto? Ny olon’ny fitondrana ankehitriny, raha hiverenanana no tena tompondaka tamin’ny tsikera. Nolazaina fa malemy mihitsy I Hery Rajaonarimampianina fa ny fahalalahana no jerena, hoy Rakotovao. Efa nihoatra ny tokony ho izy aza, toy ny fanenjehana ny vadin’ny filoha, tsy nasiana hasiny,... Raha ity fanaporetana sy fanagadrana lava ity, dia mila mieritreritra ihany ny Fanjakana, hoy i Rivo Rakotovao, izay nanamafy fa manao ny asa maha mpanohitra azy ny HVM.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT