Politique

Rivellino Ravelomahazo “Tokony mitondra vahaolana ny mpanohitra”


  • Alarobia 14 Oktobra 2020

Manan-jo feno mandeha maneho ny heviny ny mpanohitra amin’ny maha tany demokratika an’i Madagasikara, hoy ny mpamakafaka politika sy mpahay lalana, Rivellino Ravelomahazo, naneho ny fahitany ny fitetezam-paritry ny mpanohitra ankehitriny.

 

 

 

 Tokony ho zarina vaovao marina anefa ny vahoaka fa tsy tezaina amina don-tandroka toy ny mahazatra, hoy izy. Efa eo ny teknolojia isan-karazany sy tambazotran-tserasera ary ny fahitalavitra rehetra efa saika hita manerana izao tontolo izao ka tokony hitandrina isika mba tsy ho fitaovan’ny mpanjanaka ka hahatonga ny firenena any amin’ny mangitsokitsoka. Tsy azo faritana amina toerana ny demokrasia fa ny mponina, ny fitondrana misy ary ny rantsa-mangaika natao hampihatra ny demokrasia no mamaritra an’io. Naverina amin’ny hasiny maha kianjan’ny Demokrasia azy, hoy hatrany izy, ny kianjan’ny demokrasia eo Ambohijatovo matoa napetraka eo ny tsangambaton’ny Profesora Zafy Albert rehefa niova ny fitantanana ny tananan’Antananarivo. Amin’ny politika moa tsy misy hoe diso fiantefa na diso safidy fa rafi-pitantanana io amiko dia samy manana ny fomba ataony ahafahana manao izany rafi-pitantanana izany ny mpanao politika rehetra. Tsy tokony hisy zavatra hitranga toy ireny nahazo ny vondrona Tiko ireny intsony amin’ny mpandraharaha Malagasy, hoy izy. Izany no fiarovana ny mpandraharaha Malagasy. Tokony mitondra vahaolana ho an’ny mpitondra ny mpanohitra ary mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana. Rehefa nanao izay izy dia afaka manakihana amiko, hoy hatrany ny tenany, fa raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia fitiavan-tena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT