Politique

Riribe Miantso ny mpanohitra hanitsy ny mpitondra


  • Talata 11 Aogositra 2020

Mandalo fotoan-tsarotra ara-politika, toekarena, sosialy ankehitriny ny firenentsika, hoy ny filoha nasionalin’ny federasionin’ny gadra politika, Henry Rakotomalala na Riribe, noho izao valanaretina Coronavirus izao.

 

 

Amin’ny maha olompirenena, indrindra, amin’ny maha mpanao politika dia manana andraikitra lehibe na ny mpanohitra na ny mpitondra na ny olompirenena tsotra. Antony nahatonga anay namaly ny antson’ny RMDM hitondra sosokevitra eto Bel’air tamin’ny 10 aogositra 2020 ity izany, hoy hatrany izy. Feno Coronavirus ankehitriny ny firenena ary mandeha ila ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana. Raha fintinina aza dia tsy misy mandeha amin’ny laoniny. Na ny tarehimarika izay avoakan’ny fitondram-panjakana aza dia mampiahiahy, raha jerena, satria ohatran’ny zavatra namboamboarina amin’izay metimety amin’ny mpitondra ny antontan’isa fa raha ny tena marina na eto Antananarivo fotsiny aza no resahana dia efa feno Coronavirus. Tohananay ny hevitra tsara saingy rehefa mivoana amin’ny tombotsoam-bahoaka ny fanapahan-kevitra dia tsy maintsy miteny tompoko i Riribe, hoy hatrany izy. Mandeha amin’ny tsy izy izao ny fitantanana ny sosialim-bahoaka sy ny fitantanam-bola. Efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ary na izy samy izy ao anatin’ny fitondram-panjakana aza dia iaraha-mahita fa tsy mitovy hevitra. Anjaran’ny mpanohitra no manitsy izany mba tsy ho latsaka an-kady ny firenentsika, hoy hatrany I Riribe.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT