Tsy mitsipaka ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny Covid 19 izahay, hoy ny kandida ho solombavambahoaka teo aloha sady solontenan’ny zanak’I Toamasina, Henry Rakotomalala na Riribe, omaly.
Mampiahiahy kosa anefa, hoy izy, ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Ity tsindrona izay ho atao ity ve efa nisy olona nararin’ny Covid 19 sitrany na teto na tany ivelany? Mangataka ny ampitsaharana ny fanandramana amin’ny vahoakan’ny Toamasina aloha izahay mandra-pahazoana valiny mazava mikasika io avy amin’ny fitondram-panjakana. Ilanay valiny koa ny toerana nipoiran’io tsindrona io. Sao dia nahazo vola avy amin’ny mpamatsy vola avy any ivelany mba hanaovana ny andrana klinika eto ny fitondram-panjakana, hoy izy? Raha ny lalana mifehy ny andrana manerana izao tontolo izao dia biby no fanaovana andrana. Ampitoviana amin’ny Rajako ve izany izahay any Toamasina? Mitsipaka tanteraka io andrana io izahay zanak’i Toamasina, hoy hatranyi Riribe. Tomponandraikitra amin’ny korontana rehetra mitranga any Toamasina ny fitondram-panjakana raha misisika amin’io kanefa tsy manome fanazavana. Nampahatsiahy ny tenany fa ny zanak’i Toamasina no isan’ny nampandany ny filoham-pirenena kanefa izy ireo indray ankehitriny no tadiavin’ity farany atao andrana na “Cobaye”. Mbola hivory sy hanao fanambarana ankoatr’izao efa ataonay izao moa ny raiamandrenibe ao Toamasina, hoy izy, ka raha mbola hiziriziry ny fitondrana dia ady angamba no tadiaviny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.