Politique

Riri Be Tsy azo vangiana ao Ambalatavoahangy


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

“Tsy mety misakafo Rakotomalala Henri na Riri Be raha tsy izahay na ny vadiny no manatitra sakafo ho azy ka sady hitany no aterina eo aminy. Araha-maso akaiky sy tsy azo vangian’ny fianakaviany izy sy ireo namany”.

 Izay no nambaran’ireo mpikamban’ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” tafaresaka manokana tamin’ny mpanao gazety. Nomarihan’izy ireo fa “marary sy mitaraina ny tanany tapaka noho ny fanolanana nahazo izany i Riri Be ao Ambalatavoahangy. Mivonto be izany, marary ny vatany manontolo noho ny daroka vodibasy natao taminy, sahirana izy raha misakafo. Tsy kivy izy fa mbola mankahery anay hatrany ary milaza ny hanohizana hatrany ny tolona”. Ny nanaitra tamin’ny vaovao azo tamin’izao fihaonana manokana natao tamin’ireto mpikambana ny biraon’ny hetsika anisan’ny tsy voasambotra sy novotsorana ireto, ny fahenoana fa nandritra ny fidirana an-keriny tao an-tokantranon’Atoa Mandraina Félix nataon’ireto “ninja zandary” naka azy ireo an-keriny dia nilaza izy ireo fa “fanjakana izahay, iraky ny filohan’ny tetezamita, sokafy haingana ny trano raha tsy izany vakinay”. Avy hatrany moa dia “caleçon sy silipo ary akanjo maivana no nitondrana azy ireo taorian’ny fanipazana azy tao anatina fiara 4x4 miisa roa, izay mbola notapenana lamba ny mason’izy ireo mba tsy hahita ny toerana nitondrana azy”, araka ny fanazavana azo tamina vavolombelona.

Milaza ny hitory amin’ny «tsy fanajana ny zon‘olombelona, fidirana an-keriny an-tranon’olona ataona mpiasam-panjakana, fanafihana mitam-piadiana arahana halatra, ary fakana an-keriny olona», ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany”. Ankoatra izay dia efa miady ho azy ireo (Riri be sy ireo namany) ihany koa ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena mikambana ao Toamasina, izay efa nihaona tamin’ny FFKM sy ireo Parlemantera zanaky ny Faritra Atsinanana nanaiky nandray azy ireo ary eo am-pangatahana fihaonana amin’ny mambra ny biraon’ny SADC eto ihany koa ankehitriny. Takian’izy ireo ny famotsorana ireo olona 5 nogadraina ao Toamasina, famotsorana ny Tangalamena Zakariasy ary ny famerenana ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra amin’ny toerany izay tapaka teo anivon’ny “forum” nataon’izy ireo tao Toamasina ny volana oktobra teo. Eo am-pangatahana ny famotsorana vonjimaika ho azy dimy mirahalahy ny Biraon’ny hetsika izao. Omaly zoma, araka ny fandaharam-potoan’ny fitsarana, dia fotoana fanaovana ny “Chambre de détention” fitsarana ireo voafonja mangataka famotsorana vonjimaika.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT