Politique

Rinah Rakotomanga “Tsy misy atahoran’ny Fanjakana amin’io volamena io”


  • Talata 12 Janoary 2021

Niainga teto Antananarivo, nandeha Toliara sy Johannesburg,… Ny

 

 

 

fiaramanidina no nody, fa ny mpandeha no tratra nitondra volamena 73,5 kg. Ny 01 janoary no efa nahalala ny Fanjakana satria nisy ny fanontaniana niainga avy any an-toerana, saingy tsy ny hanome vaovao ny mpanao gazety no nahamaika fa ny fanadihadiana, hoy ny Talen’ny seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Rinah Rakotomanga omaly, tao amin’ny fahitalavitra iray. Misy kaomisionina manokana napetraky ny Filoha hanao fanadihadiana sy mandray an-tànana ahafahana mamerina ireo harem-pirenena sy ireo olona nanao ny trafika mba hotsaraina aty Madagasikara: Minisitry ny harena an-kibon’ny tany no lehibe, ao ihany koa  ny minisitry ny fitsarana, filaminana anatiny, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, raharaham-bahiny. Aleo ireo no hiteny ny tena fandehany, hoy i Rinah Rakotomanga. Mikasika ny hoe 73,5kg na 73,7kg fa hoe maninona no milaza ny avy any Dubai fa 10 taonina ny volamena tonga any, kanefa ny voalaza fa nivoaka ara-dalàna voarakitry tao amin’ny ANOR dia 1938kg ? hoy izy. Tsy misy atahoran’ny Fanjakana ao anatin’io satria izy no mametraka ny lalàna sy manenjika ny mpandika lalàna. Ny 20 oktobra 2020 no natsahatry ny Fanjakana ny fanondranana volamena. Na inona na inona dia tafiditra ao anatin’ny tambajotrana mafia io, ary tsy vao izao no nisy fanondranana an-tsokosoko, hoy izy. Tsy anjarako, tsy anjaranao no mitsara, fa aleo ny tompon’andraikitra amin’izany hanao ny asany, hoy ity Talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity. Tokony hajaina ny zo amin’ny maha mbola tsy voaheloka (Présomption d’innocence), hoy izy. Naneho fa rariny raha aty Madagasikara no tsaraina ireo mpanao trafika,… Ny filazana fa ny trondro vaventy afaka foana dia nametra-panontaniana i Rinah Rakotomanga hoe: Pirina sa trondro vaventy ve ny Sekretera Jeneralin’ny ACM? Izy no nanome alalana an’izany, ary izaho tsy miteny hoe meloka izy na tsia. Samy mba te hahafantatra isika izao satria mpambotry firenena izany. Familiviliana resaka sy fanimbana olona no betsaka, azo atao ny manendrikendrika olona iray,... Aleo handeha ny fanadihadiana, fa tsy misy atahoran’ny Fanjakana amin’izany, hoy ity Talen’ny serasera ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT