Politique

Rinah Rakotomanga Nitsikera an-kolaka ny minisitry ny serasera


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Sakana iray tsy ahafahana manatanteraka ny adidy amin'ny mpiray tanindrazana manoloana ny ady amin'ny Covid ny

 

 

 

fitiavam-boninahitra sy ny tsy fahaiza-miaina ataon'ny sasany, mba tsy hilazako hoe ny miseho azy ho tompom-pahefana, izay tsara ampahatsiahivina fa nampindramina ilay izy fa tsy nomena ho anao mandrakizay, hoy ny tsikera an-kolaky ny tale misahana ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika, Rinah Rakotomanga, izay hita ho miantefa amin’ny minisitry ny serasera sy ireo mpiara-miasa aminy omaly. Aina no vonjena, hoy izy. Fanentanana no atao fa tsy fitiavan-tsehoseho sanatria. Ary rehefa te ho Praiminisitra na te ho Filoham-pirenena dia mila mba mahay miara-miasa sy miara-miaina aman'olona fa tsy manao toetra tsy mendrika tahaka io. Tsy ho tody amin'izany mandrakizay ianareo raha izao toetranareo mamoha henatra ataonareo fanao izao. Tsy vitan'ny "Werawera" na fitetezana orinasan-tserasera na famoriana mpanakanto na fanadiovana tanana ny asa fanompoana tanindrazana fa mila fanetren-tena sy fahaizana miara-miaina aman'olona ary fanajana ny hafa hatrany amin'ny kely indrindra ka hatrany amin'ny lehibe indrindra, ary indrindra indrindra ireo lehibenareo. Tsy ilaina fanambonian-tena fa ilana fandinihana lalina ny tena zava-misy marina iainan'ny mpiray tanindrazana ka miezaka ny manampy azy ireo araka izay tratry ny aina sy takatry ny saina. Fa izay manetry tena no asandratra, izay manandra-tena no aetry. Ambava homana ampo miheritreritra, hoy hatrany izy. Tsikera izay hita ho naneho ny tsy fifankahazoan’ny samy ao anaty fitondrana ihany izy ity na koa hoe ny ady an-tranon’izy ireo ary saika nahazo an-tsaina avy hatrany ny olona sy mpiara-miasa aminy tian’ity tompon’andraikitra ity ho kianina avy hatrany moa ireo mpanara-baovao raha nahita ity fanehoan-kevitry  ramatoa tale ity tao anaty tambazotran-tseraserany. Andrasana ny tohiny.

 J. Mirija Legende: Rinah Rakotomanga

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT