Politique

Rinah Rakotomanga “Misy te hahazo fahefana angamba dia manakorontana”


  • Talata 03 Martsa 2020

Namerina indray Rtoa Rinah Rakotomanga talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny Repoblika omaly raha nivahiny tao amin’ny Real TV fa

 

ny fitondrana HVM no nametraka ny CENI tamin’izany fotoana sy nanatanteraka ny fandrafetana ny lisi-pifidianana niatrehana ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018. Efa nangataka “Audit” ny kandida Rajoelina ny 20 novambra 2018, hoy izy saingy tsy nohenoina. Taty aoriana dia nisy ny fitsirihana nataon’ny fikambanamben’ny Frankofonia (OIF) ka nilaza fa 4366 ihany ny tsy fahatomombanana hita tao anaty lisi-pifidianana. Nilaza izy fa tsy mitombina noho ny filazana fa tsy araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Misy angamba ireo manimanina ny tongolon’i Egypta sy te hahazo fahefana bebe kokoa ka manao resabe sy mitabataba etsy sy eroa. Notononony mazava tamin’izany moa ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, ny loholona Riana Andriamandavy VII sy ny antoko Tiako i Madagasikara. Tsy misy an’izany fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hiverina amin’ny didy navoakany izany herintaona aty aoriana, hoy izy. Ny mpomba ny filoha Rajoelina ve dia hanaiky lembenana tsotra izao ankehitriny ? Gaga sady talanjona aho, hoy izy tamin’ny nambaran’ny filoha lefitry ny CENI hoe fahadisoana avy aty aminay CENI ilay izy, tao amin’ny fanaovana “saisie”, olona karamaina araka ny asa vitany tokoa mantsy ireny. Ny fikorapahana sy tsy fahamatorana amin’ny asa no mety nahatonga ny fahadisoana ka aoka mba ho matotra tsara kosa rehefa miasa.

Fanenjehana sy Volabe

Tsy misy fandrarana an’Atoa Hery Rajaonarimampianina tsy hiditra eto Madagasikara mihitsy fa mahazo mody eto izy. Tsotra be kosa ny momba an’ireo mpandraharaha akaikin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay any am-ponja , raha ny fanazavany. Ho an’Átoa Mbola Rajaonah dia hananan’ny fanjakana 1100 miliara ariary  izy (hetra tsy naloa, fanambarana diso, hosoka, …).Rtoa Claudine Razaimamonjy kosa dia aoka hazava fa ny fitondrana HVM no voalohany nanenjika azy fa tsy ny fitondrana Rajaoelina satria be loatra ny fandikan-dalàna nataony. Fanohizana ny zavatra efa natomboka no atao izao fa tsy zava-baovao. Ho an’ny raharaha Arizaka Rabekoto Raoul kosa dia nambaran’ny talen’ny seraseran’ny Prezidansa fa vola mitentina 250 miliara ariary tao amin’ny CNaPS no tsy hita ny nanjavonanany. Nambarany ihany koa fa mampiahiahy ny volabe lany tamin’ny fananganana ny kianjan’ny CNaPS eny Vontovorona izay mitentina 120 miliara ariary. Ankehitriny dia mangataka fifonana amin’ny filoha Rajoelina ny ambasadaoro “fosika” Ny Rado Rafalimanana , raha ny tenin’i Rinah Rakotomanga hatrany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT