Politique

Rinah Rakotomanga Misy manozongozona ny toerany ?


  • Alakamisy 14 Mey 2020

Nahoraka omaly fa tsy misahana ny andraikitra maha talen’ ny serasera azy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika intsony Ramatoa Rinah Rakotomanga.

 

 

 

Rehefa nohamarinina moa ny vaovao dia hita fa tsy mitombina.Mbola manohy ny asa aman'andrakiny tsara eny an-dapa i Rinah R ; mety izy ilay tsy hita matetika maneho hevitra sy miady hevitra anaty tambazotran-tserasera ve no nahatonga ny resaka niparitaka, sa misy antony hafa. Efa fomba fiady amin'ny resaka politika mantsy ny mody manaparitaka vaovao na resaka, mba hitsapana ny mety ho fihetsiky ny olona voakasika mivantana amin'ilay izy na ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny.Olona manana ny maha izy azy ao amin'ny fiadidiana ny repoblika izany talen'ny serasera izany ary tsy ny olon-drehetra no mahazaka io asa io.Raha ny fahafantarana azy dia anisan'ireo mpanohana mahafatra-po ny filoha ankehitriny Rtoa Rinah Rakotomanga ary anisan'ireo tena mahitsy fitenenana rehefa maneho hevitra.Mety maro no tsy mahazaka na tsy faly amin'izay toetrany izay.Ho hita eo ihany ho tohin'ity raharaha ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT