Androany 21 Jona 2021 nandray soamatsara ny asa maha Mpanolontsaina eto anivon ny Masoivohon i Madagasikara eto Paris eto Frantsa ny tenako rehefa nahazo ny taratasy nanendry ahy tamin ny 08 Jona 2021
Fifaneraserana fifampiresahana fikarakarana sy fikolokoloana ny fifandraisana asa manasoa ny firenena hoan ny tanindrazana hoy ny fampahafantarana nataon-dRtoa Rinah Rakotomanga tao amin ny tambajotran-tseraserany omaly Raha tsiahivina ny 2 jona teo nialohan ny fampahatarana fanapahan-kevitra ofisialy tao anatin ny filan-kevitry ny minisitra no nampahafantarany mialoha fa voatendry amina andraikitra hafa izy ka Rtoa Soatiana Rajoelisoa no hiandraikitra ny toerana maha Talen ny Serasera eo anivon ny Fiadidian ny Repoblika Andro vitsy taorian io no nivahiny tamina fandaharan ny fahitalavitra tsy miankina iray ny tenany ka nambarany tamin izany fa sady tsy nesorina izy no tsy nalàna fa fifandaminana ary tsy resaka tsy fahavitana asa no antony Nisy fiantraikany tamin ny fianankaviako ny fanenjehana ahy ary tsy maintsy mandamina ny zanako sy fianankaviako aho hoy Rtoa Rinah Rakotomanga Nisy moa ny resabe naha voatonona azy tamin ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera mikasika kolikoly avo lenta tao amin ny SMMC any amin ny seranantsambon i Toamasina ny tenany Tsy afaka ny hitompo teny fantatra isika na marina na diso ny momba io fa any amin ny Bianco sy ny PAC no lakile Asa aloha raha mba misy fanadihadiana mikasika an io na ho marina na ho diso? Na mety misy aza ny fahamarinany tsy efa naman ny madio ve ny rano nitan ny olona voatonontonona mivantana na an-kolaka? Tsy tongatonga ho azy ny fanesorana an-dRtoa Rinah Rakotomanga tao amin ny Fiadidian ny Repoblika fa mety tafiditra ihany koa ao anatin ilay hoe olona mila ampirimina sy tsy hampitenenina intsony ao anaty Fanjakana aloha noho ny antony maro mety ho tafiditry ny politika avo lenta
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.