Isan’ny nanotrona teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava sy teny amin’ny fampanoavana nanoloana ny fanenjehana an’i Mahery Lanto Manandafy
ny Rodoben’ny mpanohitra sy ny avy amin’ny Antoko TIM notarihin’ny Sekretera jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro sy ireo depiote TIM omaly. « Firirify ny fitarainanay nataonay TIM sy ny mpanohitra mahakasika ny fihetsiky ny mpanara-dia ny mpitondra, manao fanompana “diabolisation”, nanompa sy nanozona ny filoha teo aloha, firy ny fitoriana nataonay, zavatra tsy misy dikany akory, dia nitazonana olona 48ora. Tsy TIM izy fa mpanohitra, ka na iza na iza iharan’ny tsy rariny, dia mijoro izahay », hoy i Rina Randriamasinoro. Tsara ny mampahatsiahy, fa nitory teny amin’ny « Cybercriminalté » ny Antoko TIM tamin’ny zavatra mamoafady nilazana fa maty i Marc Ravalomanana ny fiandohan’ny taona 2020; tao ihany koa ny fisandohana anarana sy fanaovana hosoka ny sonian’i Marc Ravalomanana, nisy ihany koa ilay vaovao tena tsaho nivoaka tamin’ny Facebook sy haino aman-jery mpanohana fitondrana ny aprily 2020 nilazana fa tonga ao Nosy Be ny mersenera sy ny fitaovam-piadiana nafaran-dRavalomanana febroary,… Zavatra mamoafady ny tahaka izany, saingy tsy re aloha hatreto izay setriny sy tohin’ny raharaha fitoriana
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.