Tena tsisy resaka fisokafana mihitsy ilay vahaolana ara-toekarena. Nisy ny fihaonan’ny Filoha Rajoelina tamin’ny mpandraharaha omaly. Androany ny fihaonana tamin’ny mpandraharaha,
kanefa ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana (LFR) aza efa any amin’ny parlemanta. Ny zavatra tokony natao anefa tokony nampidirina tao, hoy kosa I Rina Randriamasinoro Sekretera Jeneralin'ny Antoko TIM. Mbola hotadiavina ny vola hanaovana fotodrafitrasa ary 2,8% ny “deficit budgétaire”. 3% eo no eken’ny Mpamatsy vola mahazatra. Ny fampidiram-bola tsy misy, kanefa ianao manao 6,6% izay lavitry ny 3% ka famatsiam-bola avy aiza no hanaovan’ny fitondram-panjakana izany? hoy izy. Tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola niaingana (LFI) dia 5,5% ny taham-piakaran’ny harin-karena faobe, kanefa izao 0,8%. Ianao milaza hanao zavatra be dia be ary ambony kanefa aty ambany tsy mifanaraka amin’izay. Ataovy mangarahara. Mila mampiditra vola aloha. Ampatoriana any amin’ny fotodrafitrasa ny vola tokony hiodina. Nanalana 81 miliara ny tetibolan’ny minisiteran’ny fambolena izay misy ny Malagasy sy tantsaha maro an’isa. Ho tonga marina amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo ve? Ny resaka fandriampahalemana nahena 74 miliara ny tetibolan’ny tafika, Polisy 15 ny polisy,… Fanaovana fotodrafitrasa sy fananganan-javatra ve no maika sa ny mba hahafahan’ny vahoaka miaina aloha? Tsy misy firaharahiana ny sehatra tsy miankina. Raha miraharaha an’ireo natsoina izy tao anatin’ny fanamboarana io lalàna io, fa tsy efa vita ilay izy vao antsoinao, hoy ny fanehoan-kevitr’ity mpanao politika ity.
Efa 598 miliara euros ny vola fanampiana. Tolo-tànana no nataonay, fa tsy nitaky hoe ampidiro ao. Zavatra mangarahara no notakiana hoe tena ataovy tonga sy mipaka amin’ny Malagasy. Nankaiza sy nampiasaina tamin’ny inona? Io no azontsika, fa misy Firenena Afrikanina mahazo betsaka noho izay misy antony ny maha io ny antsika. Firenena Afrikanina isan’ny lehibe isika, fa nisy firenena kely noho isika nahazo betsaka lavitra noho isika. Mijery ny firenen-dehibe hoe nanao ahoana ny fitantanana? Ny vahoaka no nahazo tombony sa vondron’olona? Hoy ny fanontanian’i Rina Randriamasinoro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.