Tsy ny fandaniana amin’ny alalan’ny fahafinaretan’ny maso no hanamarihana ny fahaleovantena, hoy ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Rina Randriamasinoro omaly.
61 taona no nahazoana ny fahaleovan-tena, kanefa hatramin’izao mbola miankin-doha hatrany. Mbola anarany fotsiny ny fahaleovantena, eny fa na ny ara-tsakafo aza, indrindra ny famatsiam-bola ka tsy tokony ho haitraitra no hoenti-maneho izany ho azy ireo. “Aminay TIM, tsy ny fisehoana ivelany no zava-dehibe, tsy ny fandaniana amin’ny rendrarendra sy ny fahafinaretan’ny maso. Tena mipaka amin’ny Malagasy ve ny fahaleovantena? Ny tetibola iasan’ny fitondram-panjakana aza mbola famatsiana avy any ivelany. Ny fahavitan-tena ara-tsakafo fotsiny aza dia efa olona be ho antsika ka moa ve ny vitan’ny fanjakana ny hanova izany? Tsy mbola misy ny fanasana azo ho an’ny TIM, ARY na hisy izany na tsy hisy, tsy hanotrona zavatra hanaovana fandaniana eritreretina ho olona vitsy no hanaovana azy izahay. Tsy hanatrika ny haitraitra, fa zavatra tokony hipaka amin’ny isam-batan’olona no atao”, hoy hatrany i Rina Randriamasinoro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.