Naneho ny heviny momba ny raharaham-pifidianana taorian’ny raharaha kara-panondro sy lisi-pifidianana miverin-droa an-tapitrisany
ny Sekretera jeneralin’ny antoko TIM sady kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra Atoa Rina Randriamasinoro. Nambarany fa tsy zava-baovao amin’ny TIM ireny satria ny ekipa mpahay lalàna avy amin’ny TIM tany amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoha, nitohy tamin’ny fifidianana depiote sy ny ben’ny tanàna dia efa naneho tsy fahatomombanana. Efa tsikaritra ireny rehetra ireny, ary ny TIM efa nitaky foana, tsy diso ny tolona natao, saingy tsy nisy nihaino. Nahatsapa tamin’ny fotoan’androny fa nisy tsy fahamarinana ny fifidianana rehetra nandeha teto, ka izay no anton’ireny fitakiana ireny. Nivoaka izao ny fahamarinana, ary tsy izaho na ny TIM na ny vahoaka no namoaka an’ireny fa ny tompon’andraikitra tamin’ny fifidianana. Rehefa natao ny fitakiana tamin’ny fotoana maro tsy nisy niteny, izao nivoaka. Ary maninona no vita ny fifidianana rehetra vao nivoaka iny ? Iza no nahazo tombony ary iza no lasibatra ? Izaho dia miteny hoe isika vahoaka no lasibatra satria ny zontsika mihitsy no voahitsakitsaka, hoy i Rina Randriamasinoro. Nambarany fa tsy hisy firenena handroso ao anaty tsy fahamarinana izany satria ny fahamarinana no manandratra firenena. Efa nivoaka iny ny marina izay inoana fa miantefa any amin’ny tokony hiantefany tsirairay, hoy ity Sekretera jeneralin’ny TIM ity. Anisan’ny nametraka fitoriana any amin’ny filankevi-panjakana moa ny TIM tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo, ka asa na hisy fiantraikany amin’izay ho valiny izao karazana fibabohana nataon’ny CENI izao !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.