Mpifidy vaventy 15 avy amin’ny TIM hatreto no efa fantatra fa tafiditra tamina
fanambarana fanohanana kandida amin’ny fifidianana loholona. Distrika Ambohidratrimo, Atsimondrano, Andramasina, Atsimo Andrefana. Ny vokatry ny fanadihadiana natao dia nahafantarana fa mety misy ny trangan-javatra. Misy tamin’ireny olona ireny rehefa nanontaniana sy nofotorina dia maro no antony: tsindry hoe tsy mahavita na ainona na inona vao tsy manao an’io, misy ny resaka vola izay ny tombotsoa manokan’ny olona iray no jerena fa tsy ny an’ny firenena, sy ny fitsipiky ny antoko, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Mikatsaka mafy sy mitady ny fandraisana anjaran’ny TIM ny mpitondra satria efa nilaza izahay fa tsy mandray anjara izay misy fiantraikany betsaka amin’ny fifidianana, hoy i Rina Randriamasinoro. Tanjona amin’ny fandrisihana ny mpanohitra amin’ny toe-javatra tahaka izao ny fanomezana sary sy endrika fa fifidianana azo antoka na “Election crédible” no natao. Hisy ny fanaraha-maso ireo mpifidy vaventy TIM amin’ny 11 desambra, ary ho avy ny sazy raha misy olom-boafidy tratra manao izany. Tsy maintsy manaraka ny fitsipiky ny antoko nahalany ary “mandat impératif” ny maha olom-boafidy lany tamin’ny anaran’ny TIM, efa midika fanalana tena ao anatin’ny antoko ny tsy fanajana ny fitsipika, hoy i Rina Randriamasinoro. Tsy maintsy hijery sy hanao fanadihadadiana ny ihany koa ekipa mpahay lalàna eo anivon’ny TIM eo anatrehan’ny mbola fisiana fandikana ny fitsipika, hoy io Sekretera Jeneralin’ny TIM io. Isan’ireo kandia loholona nilaza fa manana olom-boafidy TIM manohana azy moa i Neypatraiky Rakotomamonjy kandida any Toliara sy Herimanana Razafimahefa eto Antananarivo izay samy avy amin’ny IRD.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.