Ny fitondrana mihitsy hatreto no tsy mahazaka ilay demokrasia, tsy mahazaka hitenenana hevitra tsy mitovy amin’ny fijeriny.
Ny Filoha milaza fa 200 ihany no azo voriana, fa izahay tena norarana tany Fianarantsoa, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro omaly tamina fampahalalam-baovao iray. Ny telo tamin’ny hetsika 4 natao dia nosakanana avokoa. Nambarany fa ny zava-dehibe dia mivelatra ny RMDM, nitsangana ny vondrona Panorama. Misy ny vondron’ny Parlemantera mpanohitra, ary voalaza fa hiditra an-tsehatra hanampy ireo depiote ireo loholona ao anatin’ny mpanohitra. Hatao ho fantatry ny olona ny zava-misy ao anatin’ny fanoherana. Tsy afaka maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, ka tsy maintsy atao ny hetsika mivantana amin’ny vahoaka, raha ny nambaran’i Rina Randriamasinoro. Nambara rahateo fa efa noresahina tamin’ny volana aogositra ny hanaovan’ny mpanohitra izany. Mitohy ny hetsika any amin’ny faritra, ary mifanindran-dàlana amin’ny fitetezam-paritra ataonay ny fanomezana aina vao ny antoko TIM, hoy i Rina Randriamasinoro. Andrasana izany ny tohiny sy ny fivoarany!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.