Naneho hevitra momba ny resabe mikasika ny Antoko Tiako I Madagasikara ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Atoa Rina Randriamasinoro ny sabotsy taorian’ny famaranana ny fikaonan-dohan’ny mpanohitra,
rehefa nanontanian’ny mpanao gazety momba ny raharahan-tokantranon’io antoko io. “Amin’ny maha Sekretera Jeneralin’ny Antoko Tiako I Madagasikara dia tsy mahita sy tsy mahatsapa an’izany. Aza adino fa anatin’ny antoko dia misy olona maro ao samy manana ny toetran sy ny maha izy azy, fa hatreto tsy mbola nisy mpikambana tao anatin’ny TIM nilaza hoe: izahay hiala tsy ho mpikambana intsony na tsy nanaja ny fitsipi-pifehezana na ny fitsipika anatiny sy ny sata mifehy ny antoko, ary mbola iray tsy mivaky ny TIM, hoy I Rina Randriamasinoro. Ny mety hoe tsy fitovian-kevitra na mampiady hevitra mety misy, ny tsirairay avy mety manana ny toetrany na fomba fanehoan-keviny, fa hatreto mbola mipetraka ny maha iray azy”, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Atoa Rina Randriamasinoro. Momba ny tohin’ny raharaham-panoherana kosa dia nivoaka ny fehin-kevitra, tsy zavatra iray no natao, ny nitovian’ny rehetra dia ny fahitana ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ankehitriny, hoy izy. Nambarany fa misy ambaratonga tokony halehan’ny fehin-kevitra. Misy ny alefa mivantana amin’ny tompon’andraikitra. Iarahan’ny rehetra ny fitakiana satria iarahan’ny rehetra mahita ny tsy fahaiza-mitantana, ary eo ihany koa ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana, hoy I Rina Randriamasinoro. Hampahafantarina any amin’ny faritra, hampahafantarina ho ren’izao tontolo izao. Misy ny fitakiana, ary tsy vitan’ny hoe fitakiana am-bava fotsiny, fa misy asa miandry manaraka an’izay izay ifandaminana ny fananterahana azy, raha ny nambaran’ity mpanao politika ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.