Politique

Rina Randriamasinoro “Ampy izay ny famotehana entin-dRajoelina”


  • Alatsinainy 04 Jolay 2022

Misy isaky ny faritany, faritra, distrika, kaominina, hatrany amin’ny fokontany, ary sahinay ny miteny fa mbola misy daholo ireo rafitra ireo manerana an’i Madagasikara,

ka raha manontany ianareo hoe: hatraiza ny tanjaky ny TIM dia omeo toerana ny antoko ahahafahany manao fihetsiketsehana ahitantsika an’izany, hoy i Rina Randriamasinoro Sekretera Jeneralin’ny TIM ny sabotsy teo nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan’io Antoko io. “Izahay hatreto matoa mijoro, dia mampahafantatra ny tantara nisy teto amin’ny firenena, ary tsy matahotra izahay mampahafantatra izany. Efa nitondra ny firenena nanomboka tamin’ny 2002 ary naharitra fito taona, sangany taty Afrika i Madagasikara tamin’ny fampandrosoana tamin’ny ankampobeny mihitsy. Rehefa tonga ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina dia niha potika ny firenentsika mandrak’ankehitriny. Na ny zavatra nopotehina tamin’ny fanonganam-panjakana aza mbola tsy tafarina hatramin’izao”, hoy izy. Aminy, tsy tokony ho amin’ny vava fotsiny fa ny tarehimarika rehetra no asaina miteny ny fampandrosoana izay entiny, fa amin’izao aloha dia firenena farany mahantra i Madagasikara, ary mbola afaka 75 vao mahatratra ny fari-piainan’ny olona any Rwanda izay nisy firenena nisy ady an-trano raha mbola izao fitondrana izao. Nahitsy izy nilaza fa tsy azo ekena ny fahapotehan’ny firenena nanomboka tamin’ny fanonganam-panjakana izay nataon-dRajoelina hatramin’ny ankehitriny, ka tsy maintsy hijoro ny antoko hanavotra ny vahoaka Malagasy. Ny zavatra misy eto dia tsy karazana fitondrana ho an’ny Malagasy intsony, fa ho an’olom-bitsy. Na inona na inona fandikan-dalàna miseho na fanondranana harena io na fangalarana volamena sy ny maro samihafa dia tsy misy tohiny. Ny mpanohitra, ny mpamatsy vola, ny firaisamonim-pirenena,… tsy misy tohiny. Ny mpanohitra anefa na fanehoan-kevitra fotsiny aza hidirana am-ponja,…. hoy i Rina Randriamasinoro.
NIANTSO NY TANORA HANDINIKA NY TANTARA
“Raha araka ny lalàmpanorenana, farafahatarany 2023 ny fifidianana. Misy ny “jeune Tim”, isan’ny jeren’ny TIM manokana ny tanora ary mametraka ny hoe: aoka tsy ho disoina ny tantara, fa hakana lesona, hijerena ny ho avy. Matoa ampianarina any am-pianarana mihitsy, dia tsy tokony ho takonana ny tantara, ary tsy tokony hodisoina, ary izay no hanentanako ny tanora tsy hionona fotsiny amin’ny zava-misy amin’izao. Aza mijery ny androany fotsiny, raha mahantra isika, raha izao ny toerana misy antsika, aza mijery ny androany fotsiny fa jereo hoe: inona ny tantara nisy nahatonga ny firenentsika ho fadiranovana tahaka izao ary inona ny lesona tokony hotsoahintsika ahafahana mibanjina ny ho avy”, hoy i Rina Randriamasinoro.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT