Politique

Rina Ranaivo-Harisoa Ratsy mpanolotsaina ny filoha


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Mitondra ny fahitàny ny fivoaran` ny toe-draharaha eto amintsika ny mpahay lalàna no sady mpamakafaka politika, Rina Ranaivo-Harisoa, amin` izao fiatrehana ny COVID-19 izao.

 

 

 “Misedra ny efa nampoizina tokoa ny firenena ankehitriny noho ny nahafantarana tamin'ny fomba ofisialy fa tafiditra an-toerana ny valanaretina coronavirus. Na tsapa aza fa manao ezaka ny filoham-pirenena sy ireo vitsy an`isa izay tena miasa manodidina azy dia ao ihany koa ireo mpiara-dia aminy izay mamoa-tsampona ka manararaotra izao voina izao hanaovana ny "recupérations politiques" eny foana” hoy izy. Raha tsiahivina, hoy ihany izy, fa efa ela mialoha ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin'ny fanidina ny sisin-tany no efa naroso izany soso-kevitra izany saingy  notsipahan' ny fitondrana noho ny fiheverana izay mbola mety ho tombontsoan'olom-bitsy hany ka miharihary izao fa toro vohana tsy voalanjalanja izany ary nahataraiky ny fanapahan-kevitra tokony noraisina momba ny fanakatonana tanteraka ny sisin-tany ka nahatafiditra izany aretina izany teto. Nohamafisin` ity mpahay lalàna ity fa hita taratra fa malemy an-katoka ny fanjakana ankehitriny ary tsy niomana tanteraka ny tamin'izany na dia ny mifanohitra amin'izany aza no nodradradradraina ka mampisavorovoro ny rehetra mahakasika ny fanampiana zaraina izay tsy araka ny nampanantenaina, ny mahakasika ny tsy fahafehezana ireo olona izay noheverina fa mitondra ny tsimok'aretina avy any ivelany sy ny maro tsy voatanisa. Noho izany, mangataka ny filoham-pirenena, izay mbola mahefa manapaka hevitra manomboka eto, izy, fa tsy tokony hisy intsony ny fiangarana, fijerena ny tombontsoan'olom-bitsy, aoka ny vahoaka tsy mandady harona no ho tena laharampamehana, ampiharo manomboka eto ny fihibohana tanteraka ho'an'ny rehetra tsy an-kanavaka mba tsy iparitahan'ny valan'aretina, zarao ho an'ny marefo izay anjara sakafo tokony ho sahaza azy isan'andro, aoka ny fandaniana sy ny fampiasana ny volam- panjakana  atokana tanteraka iahetrehana izao voina mihatra amin'ny firenena izao. Farany fa tsy bitika, alaviro ireo olona efa fantatra fa manapoizina izao fitondrana izao, ho an'ny tombontsoan'ny rehetra, hoy hatrany ity mpandinika ara-politika ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT