Na dia mbola ao anatin’ny resaky ny besinimaro eny rehetra eny aza ankehitriny ny mikasika ny fanendren’ny filoham-pirenena izay ho praiminisitra dia niteraka adihevitra vaovao eo anivon’ny fiaraha-monina ihany koa ny fanendren’ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny filoha manokan’ny delegasiona eto an-drenivohitr’i Madagasikara.
Tsy dia mahagaga loatra izany satria manana ny lanjany hatrany ny safidin’ny olom-pirenena eto amin’ny tanànan’Antananarivo renivohitra teo amin’ny tantaram-pirenena Malagasy. Be ireo milaza fa misy kajikajy politika ny fanendrena ny PDS vaovao Ny Hasina Andriamanjato eo amin’io toerana io. Etsy an-danin’izay dia nampahatsiahy ny tantara niainan’ny vahoaka malagasy nanomboka tamin’ny taona 2009 ny Rév. Andrianalijohn «Satrobory» ka nangatahan’ny mpitolona tao amin’ny Magro azy handray ny andraikitry ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra izay nanekeny izany tamim-panetren-tena mandrak’ankehitriny. 50 taona niainana teto an-drenivohitra ity mpitarika ny tanora PSD tamin’ny Repoblika voalohany ity ka mahalala tsara ny zava-misy iainan’ny mponina eto, araka ny nambarany. Tsy nilaza mazava anefa ny tenany ny amin’ny mety haha-kandida ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra azy. Ny zava-nisy ary mbola mitoetra kosa, hoy izy, dia miara-dàlana amin’ny ankolafy Ravalomanana ny AMF/3FM izay tarihiny. Miainga amin’ny fifampidinihana sy fifandresehan-dahatra hatrany ny fanapahan-kevitra izay raisina ao, hoy ny fanampim-panazavany. Mankasitraka manokana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filoha Rajaonarimampianina Hery ny hampanohy ny asa andavanandro sahanin’ny governemanta Beriziky ihany koa ny tenany ary manohana ny fahafahan’ny filoham-pirenena vaovao manendry malalaka ny praiminisitra vaovao.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.