Nomena andraikitra goavana manokana amin’ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena malagasy ny mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita, hoy ny Rév.
Andrianalijohn Ndriamanampy. Tontosa an-tsakany sy an-davany izany satria tsy nisy ny korontana na tsy filaminana teto Madagasikara tao anatin’ny fotoana nijoroan’ny fahefana mpanao lalàna nandritra ny tetezamita, hoy ny fanampim-panazavan’i Rév. Satrobory. Raha mikasika ny fampihavanam-pirenena indray dia nampahatsiahy ny tenany fa tamin’ny 11 jolay 2012 no nanomboka voalohany nandray andraikitra ny amin’ny tsy maintsy hizorana amin’io lalana io ka ireo mpifanandrina ara-politika mianaka Ravalomanana Marc sy Andry Rajoelina no niangaviana hisantatra izany. Nanao ny asany ihany koa ny FFKM sy ny FFM manodidina io lohahevi-dehibe mampitony sy mampilamina ny firenena io. Mieritreritra moa ity mpanao politika ity fa tsy mila rotorotoina ny fanendrena ny praiminisitra. Laharam-pahamehana aminy kosa ny fandrafetana Lalàmpanorenana vaovao izay hananan’ny filoham-pirenena fahefana ny mandray fanapahan-kevitra momba izany. Hetahetan’ireto mpikambana ao amin’ny AMCT ireto moa ny mba handoavan’ny fanjakana ny ampahan’ireo karama sy tombontsoan’izy ireo tsy mbola voaloa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.