Niaro tena ny Rév. Satrobory manoloana ny fanakianana azy hoe tokony ho any Ambositra izy no hirotsaka ho kandidŕ Ben’ny tanŕna fa tsy eto Antananarivo Renivohitra.
Amiko, hoy izy, eto daholo ny Foko 18 ka diso izay manindrahindra izany fanavakavahana izany. Tena mponina Antananarivo efa an-taonany maro ny tenako fa vao vita ny fianarako tany amin’ny lycée tany Mahajanga tamin’ny taona 1962 dia teto Antananarivo izahay no nanohy ny fianarana ambaratonga ambony teny Ankatso. “Na dia efa niasa nampianatra aza ny tenako taty aoriana dia mbola teny Mahamasina sy Ankadindramamy teto Antananarivo no niandohana tamin’izany. Tsy vitan’izay fa nitarika ny tanora PSD teny Ankazomanga ny tenako fotoana fohy taorian’izay ka voafidy ho filoham-pokontany tsy voahozongozon’ny AKFM izay antoko natanjaka tamin’izany. Tamin’izany no efa nanomboka tato anatiko ny fiarovana ny zon’ny madinika ka tsy nanaiky lembenana tamin’ny antsojay nihatra tamin’izy ireo indrindra ny mpivarotra amoron-dalana. Ary dia notohizana tamin’ny fananganana ny AMF/3FM izany taty aoriana rehefa nofoanana ny PSD”. Efa ampy traikefa sy afaka mijoro ho raiamandreny hanarina an’ity tanàna ity ny tenako ary manana paikady matotra hoentina amin’izany, hoy i Rév. Satrobory.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.