Politique

Rév. Andrianalijohn Fahafaham-baraka ny an’ny CENI


  • Alakamisy 25 Novambra 2010

Tonga amin’ny ilana azy izao ny raharaham-pirenena, hoy ny rév Andrianalijohn Ndriamanampy.

Voaporofo izao fa tsy ara-dalàna ny referandaoma natao teto, hoy ihany izy. Fahafaham-baraka ny an’ny CENI raha hiziriziry amin’ny heviny, hoy ihany izy. Fanontaniana moa no napetrany : “Nahoana no nihena ny isam-bahoaka ? Midika ve izany fa betsaka ireo maty fa tsy nisy kosa ireo niteraka ? Nankaiza avokoa ireo ampy taona ?”. Ho an’ity mpanao politika ity dia tsy maintsy averina iny fitsapan-kevi-bahoaka iny rehefa miverina ny ara-dalàna. Momba ireo mpanara-maso vahiny voalaza fa tonga teto moa dia nambarany fa mpizahatany ihany ireny ka tsy maintsy miteny satria efa nomena azy izay notadiaviny, hoy ihany ny rév.

Ankoatra izay dia nambarany fa na hampitomboina avo zato heny aza ireo fonja eto amintsika ary hampanaraham-penitra ny fonja dia tsy ho antonona ny Malagasy mihitsy satria marobe ireo tsy mitovy hevitra amin’ny FAT. Ny zava-misy koa, hoy izy dia vonoina ireo tsy mitovy hevitra ireo. Izany ve no antony hilazan’ny FAT fa hampanara-penitra ny hopitaly ? Manoloana ny zava-nitranga teny amin’ny BANI moa dia heverin’ny Rev Andrianalijohn fa tokony hanome fanazavana ingahy Vital ny amin’ireo olona nanafika teny Ivato. Natao aiza ihany koa ireo olona naratra ? 

Nangonin’i Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT