Politique

Resaka Rova sy tsindrona amin’ny Covid 19 Miantso fifanatonana sy fifampidinihana ny CFM


  • Zoma 29 Mey 2020

Manana ny andraikiny voafaritry ny lalana ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM. Voafaritra ao amin’ny 2016 – 027 fa miandraikitra ny mba tsy hisian’ny korontana eto amin’ny firenena izahay, hoy ny filohany, Maka Alphonse.

 

 Miteraka resabe ankehitriny ny mikasika ny rovan’Antananarivo sy ity resaka andrana tsindrona ao Toamasina ity. Toy ny nataonay tamin’ny raharaha Ambohitrimanjaka ihany dia miantso ny mpiray tanindrazana hifampiresaka izahay. Misy tsy hifankazahoana ao matoa misy izao resabe eny amin’ny haino aman-jery sy tambazotran-tserasera izao, hoy izy, kanefa tsy dia fotoana tokony hisian’ny fifamaliana loatra izao zava-doza mihatra amin’ny firenena izao. Loza mihatra satria misy mpiray tanindrazana marary sy namoy aina. Tsy fotoana tokony hifandirana, noho izany, izao fa hifampiresahana, hoy ny CFM. Mila mifanatona sy mifampiresaka tsy amin’ny fifampihatsaram-belatsihy izay voakasik’ireo raharaha ireo. Ny lafiny voakasiky ny resaka vakoka mifanantona ary izay mahatsiaro ho voakasiky ny raharaha Toamasina koa mila mifanatona. Tadidio fa ny olona tsy mahalala ny tantarany dia toy ny sambo avilivilin’ny rivotra ka antenaiko fa samy mahalala izany na ny mpitondra na ireo voakasika hafa, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny CFM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT