Miantso sy mampitandrina ny Fanjakana, mba tsy handoto ny firenena amin’ny fampidirana ny “fonds souverain” ny Depiote Roland Ratsiraka araka ny fanambarana nataony omaly,
taorian’ny valan-dresaky ny Filoham-pirenena. “Tsy nisy fitondrana nanaiky an’io, fa ankehitriny ity fitondrana ity dia hanao an’io, ka izaho dia isan’ny hijoro ao amin’ny antenimierampirenena mba tsy ahafahantsika hanaiky an’io satria ao anatin’io dia misy “fonds” fanaovana fampihorohoroana, fanondranana zava-mahadomelina, trafikana volamena,… ka tsy azo ekena izany vola maloto izany hiditra eto Madagasikara. Izaho dia isan’ny mampitandrina an’i Madagasikara hoe aza lotoina i Madagasikara satria ny hoavintsika Mianankavy no ho voadonan’izany, fa tsy ity Fitondrana ity, hoy izy. Nambarany fa io fitondrana io mandalo, kanefa hampiditra antsika kizo amin’ny zavatra ohatr’izany”, hoy io depiote io. Mila manaiky hoe miasa, saingy diso làlana, fa midona amin’ny rindrina. “Izaho any Toamasina fa mijaly daholo ny mponina, nanao fialan-tsasatra tany Sainte-Marie, miresaka amin’ny mpanjono tsy mandeha, miresaka amin’ny vahoaka madinika fa tsy misy zavatra mandeha,… mbola tsy taitra ny Fanjakana. Mila manaiky ny mpitondra hoe diso làlana, miasa saingy diso paikady sy diso làlana ka midona amin’ny rindrina. Mba henoy izahay, ary hitako hoe henony, ka mila sokafana ny sisin-tany, fa olona vita vaksiny ihany no afaka miditra, hoy izy eo anatrehan’ny olana ara-toekarena. Nambaran’i Roland Ratsiraka ihany koa, fa mamoaka mampiditra ihany koa ny fanjakana manoloana ny adihevitra mikasika ny varotra an-tserasera na “vente en ligne”. Masiatsiaka hatrany ity depiote isan’ny nanohana ny filoha ankehitriny tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana Filoham-pirenena ity amin’ny fanehoan-kevitra hataony. Isan’ny nahazoan’i Andry Rajoelina vato betsaka tany amin’ny Faritra Antsinana ny fanohanan-dRoland Ratsiraka, saingy miharihary ny tsy fitovian-kevitra, indrindra taorian’ny olana ara-pifidianana Ben’ny tanàna tao Toamasina Renivohitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.