Politique

Resabe momba ny fahasalamany Nivoaka tamin’ny fahanginany ny PM


  • Talata 08 Septambra 2020

Tsy re tsaika tao anatin’ny fotoana ela ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary nisafidy ny hiloa-bava amin’izay omaly alatsinainy 07 septambra maraina teo am-pahatongavana tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, araka ny vaovao azo. « Be dia be moa ilay resaka hoe : aiza ny Praiminisitra, maninona izy…

 

Izaho aho izao. Ny zava-dehibe fotsiny dia izao : ny olombelona rehetra dia nofo aman-drà ary ao anatin’izany dia tsy maintsy misy foana ny fanaovana fitsirihina ara-pahasalamana izay tsy maintsy atao. Izay no zava-nisy, ary tsy tokony handeha ankoatra ny lafiny ohatran’izany. Misy miteny hatramin’ny hoe voan’ny AVC ny Praiministra ; voan’ny fanapoizinana ny Praiminisitra,… Izany no ahatsapanareo tokoa fa raha hino ny zavatra rehetra ao anatin’ny Facebook ianareo dia ho very », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Nambarany fa malalaka ny eto amintsika, miaina ao anatin’ny Demokrasia ity firenena ity. Be dia be ny firenena amintsika miteny izao no tsy manaiky ny fisian’ny zavatra ohatran’izany. Ary miditra any am-ponja mihitsy, ary tapahina mihitsy ny Facebook amin’ny firenena maro, izay averiko fa firenena mandala ny Demokrasia, ary tsy kianina mihitsy, eran-tany. Isika dia miaina ao anatin’ny Demokrasia. Izany Demokrasia izany mila Fanabeazana, mila fahatongavan-tsaina izany ho an’ny tompon’andraikitra dia ho antsika Malagasy rehetra. Tsy izay zavatra resahina dia ho marina daholo, hoy izy. Nisaotra tamin’ny fahatoniana hatrany nasehon’ny mpiara-miasa teo anivon’ny Fiadidian’ny Praiminisitra ny tenany tamin’ny tsy fihainoana fahatany ny zavatra misy fa mipetraka ao anatin’ny fahatoniana foana, mandinika ary mijery, mamakafaka. Asa na hanomboka ho re tsaika sy hiseho vahoaka matetika amin’izay ny Praiminisitra na ny Filoha hatrany aloha no hameno ny sehatra sy ny haino aman-jery ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT