Politique

Resabe manaratsy endrika ny fitondrana Tsy sahy manapa-kevitra ny Filoha


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Tsy voavaha ny olana fototra eto amin’ny firenena toy ny resaka asa, sakafo, fandriampahalemana, fahasalamana, fanabeazana izay tadiavin’ny malagasy maro an’isa amin’izao fotoana izao.

Miha miseho isan’andro ny faharefoan’ny fitondrana ankehitriny. Miha lalina ny fanontaniana mipetraka mikasika ny fahefan’ny filoham-pirenena Malagasy hoe hatraiza marina? Mpiara-mitantana tsy mitsahatra ny hipoiran-java manimba endrika ny fitondrana izao kanefa dia tsy ahitan-teny akory ny filoha manoloana izany rehetra izany. Efa niparitaka tany anaty tambazotran-tserasera izao ny rakipeon’ny sasany mandrahona hanagadra mpitsara, hoy ny fanazavan’ireo mpanao gazety sy mpamakafaka, ary tsy vitan’izay fa mbola mandrahona ny hanalana jeneraly amin’ny toerany afaka herinandro ihany koa. Efa ny prefe izao no nanamarina fa nisy ilay poa-basy kanefa dia nijanona hatreo amin’ny fanagiazana ireo fitaovam-piadiana fotsiny ny raharaha fa tsy nisy na dia fanesorana ilay “mpiara-miasa” tamin’ny andraikiny fotsiny aza. Raha ny lojika aza anefa, hoy hatrany ireo mpamakafaka dia tokony ho tonga any amin’ny fisamborana sy fanagadrana mihitsy ny tranga toy izany kanefa dia milamina lasa niala sasatra any Nosy be indray aza ilay olona. Mahalala ny antsipirian’ny dosie momba ny filoha, Andry Rajoelina, koa ve ireo olona hivoahana dosie tsy an-kijanona ankehitriny ireo ka raha vao alana amin’ny toerany dia hampitodika ny ampamoakany any amin’ny filoham-pirenena ihany koa? Any anaty fandaminana asa sy fifehezana ny ekipany aza moa dia io iaraha-mahita io fa tena manahirana ny filoha dia ahoana moa izany no inoana fa ho mora ho azy ny hanatanterahany ny tetikasany na koa itondrany fampandrosoam-pirenena anatin’izany? Nahoana ny filankevitry ny minisitra no tsy miresaka ity tranga mitana ny sain’ny maro efa ho iray volana ngarangidiny ity mihitsy na miteny hoe tsy izy fa tsaho ohatra ilay izy dia mankahery ny minisitra na manambara mazava hoe izao sy izao no nitranga dia mandray fanapahankevitra avy eo? Mampametra-panontaniana maro ilay tsy fahasahiana mandray fanapahan-kevitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT