Politique

Resa-bola 7 miliara Ar tsy ampy Mampiaka--peo ny depiote


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Banga hatramin’ny 7 miliara ny tetibolan’ny antenimieram-pirenena, ka tsy afaka handoavana ny solika hoenti-miasa, handoavana ny karaman’ny “assistants parlemantaires”.

 

 

 “Tsy mbola ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny LFR 2020 ny fampiankaran-karama 13%, tsy mbola tafiditra ihany koa ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa. 59 miliara no nangatahanay, kanefa 49 miliara ariary no azo. Tsy maintsy tanterahina anefa ny fanapahan-kevitra efa noraisina. Nahazo tamin’ny LFR fa 5 miliara no azo, ka lasa 52 miliara izany ny vola niasana. Nitombo anefa ny vesatra ara-bola satria nitombo 13% ny karama, nitombo ny mpiasa,… Nalefa ny asa, saingy tonga ny novambra lany ny vola”. Io no isan’ny nambaran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Rtoa Christine Razanamahasoa omaly, taorian’ny fivoriana mikaton-trano adin’ny enina be izao nataon’ny depiote. Mbola tsy voaloha ihany solika izay zon’ny depiote sy ireo “services”, ny tambiny amin’ny iraka,… Takianay, ary ny karama dia manana lanja ara-tsakafo, ka angatahanay, hoy ny Filohan’io andrim-panjakana io. Voalaza fa nampahafantarina ny governemanta ny fangatahana. Nisy ny fanaovan-tsonia tao Tsimbazaza, saingy mbola tsy fantatra ny antony. Mandeha ny resaka fa mikononkonona fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” no miainga ao amin’io andrim-panjakana io. Mafampana indray ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao, izay midika fa marisarisa ny fifandraisana eo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka. Andro vitsy lasa izay no nandrenesana fa misy ny fikononana hanongana ny minisitry ny vola, ary mety ho lasa “motion de censure” ho an’ny Praiminisitra na ny governemanta. Ny an’ny antenimieram-pirenena aza io 7 miliara ariary no banga mampiaka-peo izy ireo saingy ny loholona etsy Anosikely ny vola manontolo hiasana mihitsy no noboriana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT