Politique

Rehefa tsy misy Amnistia Tsarao ny “26 janoary 2009”


  • Zoma 21 Martsa 2014

Sasa-miandry ny vahoaka. Hatraiza marina ny fanatanterahana sy fampiharana ilay fampihavanam-pirenena resahina atao litania taorian’ny nahavitan’ilay fianianana teo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina tamin’ny 25 janoary 2014 iny ?

 Nanantena ny maro fa tamin’ny kabary voalohany ihany dia efa handray fanapahan-kevitra momba ireo gadra politika sy ireo voatery nanao sesitany ny tenany ny filoha saingy tsy nisy izany. Efa ho telo volana eo amin’ny fitondrana izy, zavatra hafa indray aza no ambarany any ivelany any, lazainy fa tsy misy gadra politika intsony eto. Sao mody malefaka nefa tsy hanao famelan-keloka faobe akory aza ity fitondrana Rajaonarimampianina ity ? Tsy fanisa ny maty, nefa betsaka lavitra ny maty tamin’iny “Alatsinainy mainty” 26 janoary 2009 iny noho ny tamin’ny 7 febroary 2009. Nodian’ny tetezamita fanina nandritra ny 5 taona fa ny 7 febroary foana no narangaranga ka nanaovana hazalambo ny mpitondra teo aloha sy ireo mpiaradia taminy. Tokony hiainga amin’ny fototra madio, tsy misy arakaraka, ny fitantanana ny firenena ary ajanona hatreo ny adilahy politika fa mba ady amin’ny fahantrana amin’izay no hiaraha-mibanjina.

Nahavelombolo ny nahita ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miasa tamin’ny filoha Ravalomanana tahaka ny minisitry ny toekarena sy ny indostria teo aloha, Ivohasina Razafimahefa sy ny namany nandritra ny dian’ny delegasiona notarihin’ny filoha Rajaonarimampianina tany Etazonia farany teo. Ka rehefa tsy hisy amnistia, tsarao koa ny raharaha “26 janoary 2009” hivoahan’ny marina, tsy hisian’ny fitanilana. Sa mitovy amin’ny afera Ravatomanga koa izy ity, najanona ny fanadihadiana ?

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT