Politique

Rehefa tsisy programa matotra Lasa mamorona hetsika ny mpitondra…


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Adihevitra tato ho ato ny fitetezam-paritra ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay sesilany sy tena mitety ny Nosy mihitsy.

 

 

 

Tsy maintsy izy ve no mandeha mitokana sy mizara zavatra ? Inona no ilàna fitsinjaran’asa sy fitsinjaram-pahefana? Toa lasa mamorona hetsika hatao hatrany ny Filoha Malagasy. Mampalaza tena amin’ny fizarazaran-javatra etsy sy eroa. Marina fa misy ny fotodrafitrasa tokanana, izay maro amin’ireny no an’ny teo aloha no tohizana, fa adino ilay tena ventina progaraman’asa nanaovana fampielezan-kevitra. Mbola miasa ve ilay tetikasa sy voambolana IEM? Mbola tsaroana ve ny fisian’ilay tetikasa Tanà-masoandro? Raha nambara tany am-piandohana fa tsy hindram-bola intsony isika, fa hampindrana an’I Kaomoro sy ireo Nosy manodidina aza, dia ny Filoham-pirenena no nangataka ny fampihenana trosa, izay azo adika fa mba ahafahana mahazo trosa vaovao. Matoa mitotongana tanteraka ny sandan’ny ariary, dia  midika fa mandany sy mihinana ny vola vahiny azo no ataon’ny firenena, ary tsy voafehy ny politika ara-toekarena sy ara-tsosialy. Vola manodidina ny 800 tapitrisa dolara no azontsika ho fanampiana vokatry ny valanaretina, ary ny fampiasana izany sy ny fizarana ny fanampiana no imasoan’ny fitondrana. Adino ny filazana fa efa vonona ny mpamatsy volan’ny IEM, ny Tana-masoandro,… ka zary mamorona hetsika hatao hamokisana fampanantenana hatrany. Asa nanao ahoana ny fihodin’ny firenena raha tsy nisy ny fanampiana momba ny covid-19 ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT