Matoa ny zava-misy ankehitriny miha mafana dia misy mampirehitra, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, sampana Mahajanga, Régis Ramamonjisoa.
Mampametra-panontaniana ny rehetra hoe iza io mampirehitra azy io, hoy izy. Be ny zavatra tsy mety eto ary ny vy tsy mikitrana irery. Be ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny intsony. Efa manomboka te hitroatra ny vahoaka, hoy izy, satria be ireo tsy mangarahara. Ny mampalahelo dia misy ny mahazo amin’ny gony, ny sasany amina sase, ohatra, raha ny mikasika ny vatsy tsinjo sy tosika fameno. Firy marina, hoy izy, no nahazo tamin’io? Aiza moa ny vahoaka no tsy ho gaga amin’ny tranga toy izany? Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon-doha, hoy ny Ntaolo. Ka hoy aho hoe, aza ny vahoaka mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha. Io vahoaka io rehefa mangina ka mitroatra eo hanahirana, hoy hatrany izy. Fanaovana tsinotsinona ny Malagasy ny tsy fanazavana mihitsy ny antony tsy hitohizan’ny fitakiana ireo nosy manodidina. Ny loholona frantsay izao nanamafy hoe tsy hanome antsika an’ireo satria efa teto ny filoham-pireneny nilaza hoe anay ity. Maninona koa ny filoha Rajoelina raha mankany dia manatsatoka saina Malagasy eo dia milaza hoe anay ity? Mino aho, hoy izy, aorian’izay fa tsy ny loholona Malagasy irery no hitohivakana hanampy azy fa ny Malagasy rehetra. Be loatra ny fampanantenan’ity fitondrana ity, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.