Razanamahasoa Christine Harijaona

> Vehivavy Malagasy voalohany filohan’ny Antenimieram-pirenena


  • Alarobia 19 Febroary 2014

Ela ny ela ka nanjaka ny miralenta. Lany ho filohan’ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Repoblika faha-4 Rtoa Razanamahasoa Christine Harijaona. Depiote voafidy tany Ambatofinandrahana izy, mpitsara grady voalohany, mpiandry ary 62 taona ankehitriny. Izy no vehivavy Malagasy voalohany hitantana ity andrim-panjakana mpanao lalŕna ity hatramin’izay niandohany tany amin’ny Repoblika voalohany tany.

Tamin’ireo solombavambahoaka 147 nandatsa-bato tao anaty vata mangarahara dia iray no nanao vato fotsy, ny 77 nifidy an-dRazanamahasoa Christine izay kandidà natolotry ny MAPAR sy notohanan’ny GPS notarihan’ny depiote Randriarimalala Harijaona, ary ny 69 nifidy ny kandidà Rakotomamonjy Jean Max natolotry ny vovonana nahitana ny Ankolafy Ravalomanana, VPM MMM, Hiaraka Isika, ny antoko Maitso, Les AS, MTS, MDM ary tsy miankina. Mazava tamin’iny fifidianana omaly iny ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Tranga izay tsy nahafaly an’i Andry Rajoelina ka nilazany fa “vaky ny ady”, araka ny loharanom-baovao akaiky ny MAPAR.

Ny solombavambahoaka zokiolona indrindra, Rtoa Ratsivalaka Michelle, voafidy teto Antananarivo I sy ny zandriolona indrindra Razafimahatratra Christian voafidy tany Ambalavao no nitarika ny fivoriana manokan’ny Antenimieram-pirenena omaly sady nitarika ny fifidianana ny ho filohany ihany koa. Any amin-dRazanamahasoa Christine ny lakolosy nindramin-dRatsivalaka vetivety, hoy ny vazivazy zaritenany heno teny Tsimbazaza omaly. Niara-nanongam-panjakana tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 Rtoa Razanamahasoa Christine. Anisan’ireo 109 nosazian’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina na CPS tamin’ny martsa 2010 izy noho io fanonganam-panjakana io. Notendren’i Andry Rajoelina ho minisitry fitsarana teny an-dalambe izy ary notazominy nitana io andraikitra io nandritra ny tetezamita mandra-pialany ka nirotsahany hofidiana solombavambahoaka. Nataony nitondra faisana ny mpiara-dia tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mandeha ho azy ny fampidirana am-ponja ny mpanohitra nandritra ny naha minisitry ny fitsarana azy. Maro no lasa tany Tsiafahy, Antanimora, Ambatolampy, Mantasoa, Manjakandriana, Arivonimamo, eny hatrany Fianarantsoa mihitsy aza ny sasany. Misy mbola tavela any am-ponja hatramin’izao. Rtoa Razanamahasoa Christine ankehitriny no patrô ao Tsimbazaza. Inona no iraka hampanaovin’ny MAPAR azy ? Ny MAPAR izay mihirahira fa izy izao no mandresy, ka misintasitaha izay tsy nahavoa, miandrasa fifidianana amin’ny 2018 ! Handalo eo ambany masony ny volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka raha mikasa hanao izany noho ny fampihavanam-pirenena ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nandritra ny fotoana naha minisitry ny fitsarana an-dRazanamahasoa Christine anefa no nampiditra am-ponja ny ankamaroan’ireo mety homena famotsoran-keloka ireo. Tao anatin’ny lahateny voalohany nataony nanolona ireo depiote moa dia nilaza ny filohan’ny Antenimeram-pirenena vaovao fa tapitra teo ny maha olon’ankolafy sy mpiandany azy, ary ho vaindohan-draharahany ny fampakarana ny hasin’ity Andrim-panjakana ity. Asa tokoa fa olona zatra mpiandany ity no hijoro ho mpampiray. Hitohy anio ny fivoriana eny Tsimbazaza ka fifidianana ireo filoha lefitra enina, iray isa-paritany sy kestora roa ary ireo filoham-baomiera no lahadinika manaraka.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT