Manomboka resahina indray tato ho ato ny solika, indrindra taorian’ny niakaran’ny vidin-tsolika farany teo. Naka ny hevitr’Atoa Razaka Elisé, izahay. Izy rahateo moa dia efa Tale jeneralin’ny OMNIS no minisitry ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany teo aloha.
Tia Tanindrazana : Voaresaka an-gazety ny famokarana solika any Tsimiroro. Mby aiza marina ny mikasika azy io ?
Razaka Elisé : Efa nanomboka tamin’ny 2007 no nivoaka ny menaka mavesatra ao Tsimiroro. Mbola kely anefa ny vokatra azo. Ankehitriny dia mampiasa teknika, mandefa etona mafana any ambanin’ny tany any ny orinasa mitrandraka amin’io toerana io, mba hampitomboana miandalana ny hadirin’ny solika vokatra isan’andro, mialoha ny hidirana amin’ny varotra afaka taona vitsivitsy.
T.T : Voafehin’ny fanjakana ve ity resaka fikarohana solika eto ity, raha ny hevitrao ?
R.E : Ny vokatry ny fikarohana rehetra vita hatreto dia manamafy fa manana tahirin-tsolika goavana i Madagasikara. Harena voajanahay mety ritra anefa ny solika, ka tokony hahitan’ny firenena tombontsoa, hampiroborobo ny toekarena, hampihena ny fahantrana ary hamaha ny olana amin’ny filana araka angovo ny fitrandrahana azy. Noho izany tokony hisy rafitra mazava sy ara-dalàna hitantanana io resaka solika io ao anatin’ny mangarahara. Mifamatotra amin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahasalamana, ny fiarovana, ny hetra, ny fifehezana ny teknolojia, ny fampirisihana ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy, ny fitsinjarana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny fivarotana ny vokatra. Mila mitsinjo lavitra ihany koa isika, ka hametraka Tahiry ho an’ny taranaka mba hahafahany mijery angovo izay hasolo ny solika rehefa tonga ny fotoana haharitany, mba hisorohana ny krizy mpitranga amin’ireo firenena mpamokatra solika.
T.T : Farany, inona indray izao no andraikitra politika tananao ?
R.E : Marina fa notendren’i Dr Robinson Jean Louis ho talen’ny fampielezan-keviny aho tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena. Nekeko tsy ampisalasalana izany. Mpinamana hatry ny ela rahateo izahay. Ankehitriny, miverina ho teknisianina aho, ary manoratra ihany koa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.