Politique

RAZAFISAMBATRA JEAN LOUIS Tokony hametra-pialana ny filoham-pirenena


  • Zoma 28 Febroary 2020

Manoloana ny fitotonganan’ny fari-piainan’ny vahoaka malagasy sy ny tsy fisian’ny finiavana ara-politika avy amin’ny filoham-pirenena,

Andry Rajoelina hanova tanteraka ny fomba fanao ratsy ara-politika, hoy Razafisambatra Louis, mpampianatra mpikaroka any Sorbonne Paris dia  tsy maintsy handalo tantara tsy azo ihodivirana i Madagasikara na ho ela na ho haingana. Diso nanao hosoka loatra mantsy ity filoham-pirenena ity tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary Ben’ny tanàna farany teo ka tokony hametra-pialana, hoy izy. Raha ny tantara politika teto amintsika tokoa mantsy  no jerena  dia mampatsiahy ny zava-nisy tamin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita sy ny fiandohan’ny fotoam-piasan’ny filohan’ny repoblika ankehitriny sy ireo mpiara-miasa aminy izay tsy nitondra fanovana akory ny toe-tsain’izy ireo.  Diso mihoapampana ny fanomezana vahana ireo ekipany akaiky, indrindra fa amin’ny resaka fanaovana bizina. Manana zo ny olom-pirenena handinika sy hanakiana ho an’ny fanorenana ny fomba fanao ara-politika ataon’ny filoham-pirenena izay voafidy tamin’ny tsy rariny,  indrindra ny lalàmpanorenana voahitsakitsaka nandritra ireo fifidianana voalaza etsy ambony, hoy hatrany ity mpampianatra mpikaroka ity. Tsy ilaina intsony ireo mpitondra milalao ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny politika ara-pihetseham-po. Maniry ny hahalala ny fanovana mifandraika amin’ny fanatontoloana ara-ekonomika ny mpiray tanindrazana ary ankoatra izany dia maniry  ny hanambaran’ny filoha  ampahabemaso ireo tompon’andraikitry ny banky miray tsikombakomba amin’ny tambazotra iraisam-pirenena mahatonga ny fitotonganan’ny toekarena sy ara-bola izy ireo.

 

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT