Razafimbelo Norbert

> Tsy mahalala an-dRamalagasy ny mpanao politika


  • Sabotsy 08 Martsa 2014

Efa hatrany amin’ny fampijoroana ny tetezamita no nisafotofoto ny raharaham-pirenena eto Madagasikara ary mbola mitohy ankehitriny izany eo amin’ny fanendren’ny filoham-pirenena vaovao izay ho praiminisitra hiaraka hiasa aminy, hoy Razafimbelo Norbert, filohan’ny fikambanana Avoria.

Ny antony dia satria tefimaika sy vonjy andavanandro hatrany ny fandrafetana ny Lalàmpanorenana teto amintsika. Ny tena mahamaika ho an’ity olom-pirenena manaraka ny tontolo politika eto amin’ny firenena ity dia ny fijerena sy ny fametrahana ny tena fahamarinana miainga amin’ny fampihavanam-pirenena. Midika io fa tokony hofoanana eo amin’ny fiarahamonina malagasy ireo karazana fanavahana amin’izao fametrahana ny Repoblika fahefatra izao. Raha mikasika manokana ny fanendrena ny lehiben’ny governemanta voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàna fototra malagasy indray dia manaratsy endrika avy hatrany ny filoham-pirenena ny zava-misy ankehitriny noho ny tsy fahamatoran’ireo solombavambahoaka izay nofidin’ny olom-pirenena satria toa miverina sahady ilay fiovaovan-kevitra nanimba ny firenena tamin’ny Repoblika fahatelo tapany voalohany. Soso-kevitra avy amin’ny lehiben’ny fikambanana Avoria moa ny fanomezana fahefana ny filoha Rajaonarimampianina hanendry malalaka ny praiminisitra vaovao fa kosa mba ho tena ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy no jerena. Antony iray tokony hizorana amin’izay lalana izay ny tsy fahamarinan-toerana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Ny zava-nisy ary mbola misy amin’izao fotoana izao dia ny fitovian’ireo kandida nirotsaka hofidiana tamin’ireo karazana fifidianana teto amin’ny firenena. Mahafantatra an’i Madagasikara izy rehetra ireo fa tsy mahalala an-dRamalagasy, hoy ny fanazavany. Midika io fa ilay harena eto amintsika no mahamaika azy ireo fa tsy ny fahoriana sy ny fahantrana mikiky ny mpiray tanindrazana. Ny fametrahana ny rariny sy hitsiny izay tafiditra amin’ny fampiharana ny tena fampihavanam-pirenena eto Madagasikara ihany no tena vahaolana maharitra hisian’ny fampandrosoana eto amintsika no namehezany ny teniny.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT