Politique

Raveloson Constant “Rajoelina sy Ratsirahonana no mila tsaraina sy amnistia”


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Vaovao tsy marina no ezahina aely etsy sy eroa momba ny fodiana an-tanindrazan’ireo filoha roalahy Ratsiraka Didier sy Ravalomanana Marc, hoy i Constant Ravelosn. Foronina daholo izao tsaho rehetra izao, hoy izy satria tsy azo sakanana intsony ny tolona.

Araka ny fanazavan’ity mpitari-tolona ity dia tsy misy fifanarahana mihitsy eo amin’ny fitsarana Malagasy sy Afrikanina Tatsimo momba ny fampodiana na tsia ny filoha Ravalomanana. Ankoatra izay dia fanontaniana no napetrak’i Constant Raveloson ny amin’izay tena meloka, namono, nandratra ary namonja, ary ny amin’izay mila famotsoran-keloka. Ho an’ity mpanao politika ity dia mazava ny resaka : “Rajoelina, Ratsirahonana ary ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no mila tsaraina sy famotsoran-keloka. Ny mampalahelo ankehitriny dia lasa ambinina ny ratsy fanahy”, hoy izy. Fanontaniana hafa koa no napetrany ny amin’izay nanosika ny miaramila hamadika ny tanindrazana, izany hoe Repoblika nandefa miaramila hamono olona. Hanangana ny tetezamita tena izy isika, hoy ihany i Constant Raveloson ka mila avoaka ivelan’ny Magro ny fanantenana rehetra. Momba ny fifidianana nokasain’ny FAT hatao ny 16 martsa ho avy izao dia nambarany fa dom-bera in-dray maka dia ampy nampihemotra ny fifidianana. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Raveloson Constant tao amin’ny Magro Behoririka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT