Ny sori-dalana no nametraka ireo rehetra manana fahefana amin’izao fitondrana izao. Manomboka any amin’ny filohan’ny tetezamita ka hatramin’ireo ambaratonga rehetra raha tsy hiteny afa-tsy ny CT sy ny CST. Mitovy daholo izy ireo, araka izany.
Tsy misy lalàna, na aiza na aiza, hoy Raveloson Constant milaza fa afaka manao lalàna manokana ho azy, toy ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka i Andry Rajoleina ka mahazo teti-bola mihoa-pampana ny prezidansa ary maka fahefana mihoa-pampana ihany koa ny sekretera jeneraly eo anivon’izany prezidansa ny tetezamita izany. Ny mamoaka lalàna nolanianay Parlemanta, ny mandray vahiny manatitra taratasy ofisialy hiasa eto, ny manao sonia, izany no iandraiketan’i Andry Rajoelina fa tsy ny fanamboarana hopitaly manara-paneitra sy ireo fotodrafitrasa hafa. Volam-bahoaka ireny, hoy izy fa tsy volanareo manokana ka hanaovanareo ny politikanareo manokana. Ankoatra ny basim-panjakana dia ny volam-panjakana indray izao no ampiasain-dRajoelina amin’ny sitrapony, hoy ihany Raveloson Constant.
Mitady fomba manara-penitra hanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izy ka izany no hanankinana volabe amin’ny fiadidian’ny tetezamita, araka ny fanazavana ihany. Fanonganam-panjakana eo amin’ny ara-bola indray no ataon-dRajoelina, hoy ihany Raveloson Constant. Momba izay tetibola izay ihany moa dia nambaran’ny CT Ravelonanosy Mamitiana, filohan’ny vondrona parlemantera Ankolafy Ravalomanana eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, fa nahena ho any amin’ny 20% any avokoa ny tetibolan’ireo ministera tantanan’ny ankolafy Ravalomanana saingy nampitomboina 20 ka hatramin’ny 60% kosa ny an’ireo ministera mpiara-dia amin’ny FAT. Izany rehetra izany no milaza, hoy izy fa tsy misy fiaraha-mitantana vanona ary dia atao ampihimamba daholo ny rehetra. “Efa manomboka miala amin’ny sori-dalana ny FAT ka manoloana izany dia miantso ny SADC ny tenany mba hanafaingana ny fanapahan-kevitra rehetra satria aim-pirenena izay fifidianana. Tsy misy afa-tsy ny fodiana sy ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana ihany no vahaolana, hoy izy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.