Politique

Raveloson Constant Mafy ny te hahazo fankatoavana iraisam-pirenena


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Nahitsy sy feno teny fampieritreretana ho an’ny FAT toy ny mahazatra ny tenin’ny mpitari-tolona Raveloson Constant tao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka omaly talata 19 janoary.

 “Mafy ny mila fankatoavana iraisam-pirenena”, hoy izy, “ka niarahaba ny Tonizianina dia nampitovy ny zava-misy tany sy teto Madagasikara. Tany Tonizia, i Ben Ali mihitsy no nanajanona ny famoretana nataon’ny tafika tamin’ny vahoaka. Tsy nisy 26 janoary tany, tsy nisy 7 febroary ary koa 17 martsa... Tsy nisy HCC hafahafa ary tsy nisy Ratsirahonana mamorona fehezan-dalàna. Iarahana ny tetezamita mandra-pisian’ny fifidianana. Izany ve no misy eto amintsika ?”. Rehefa izay moa dia fanontaniana no nasesiny, ary lasa aiza ilay Saodianina ? Rehefa tsy famatsiam-bola ara-dalàna tokoa dia inona ? Hivarotra an’i Madagasikara ho an’iza ? Izy ihany moa no namaly fa havana tokoa Rajoelina satria Malagasy, kanefa tsy ananan-kavana ny tanindrazana. Na dia havanay aza i Andry, asehonay amin’Atoa Simao fa tsy mampihavana ny 26 Janoary, ny 7 febroary ary ny 17 Martsa nataon’ny mpanongam-panjakana. Teneno amin’i Simao, hoy i Constant, fa tadiavin’ny olona hamidy isika. Vohay ny fonja sy ny sisintany dia miresaka fa raha tsy izay dia mbola fihatsarambelatsihy, hoy izy namarana ny teniny. 

Nangonin’i Manohy
 
 
sary : Raveloson Constant tao amin’ny Magro Behoririka omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT