Politique

Raveloson Constant Avereno pasohana ny tetezamita


  • Zoma 21 Septambra 2012

«Manao izay hampandry adrisa fotsiny fa incompétent. Nandefa helikoptera, hakana razana, ho any Atsimo, haka sary. Firy taona ingahy no tao amin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny filaminana, taiza hatramin’izay no firy volana aty aorian’ny nisehoan-dRemenabila vao hoe hidina any an-toerana amin’izay haka sary no ho foto-dia».

Ampahany tamin’ny tsindrom-paingotra nataon’i Constant Raveloson manoloana ny fihetsik’ireo milaza azy ho tompon’andraikitra eto amin’ny tany sy fanjakana izany eo anatrehan’izao tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy izao, indrindra fa ny any Atsimo. «Io resaka ataon’i Alain Ramaroson, filoham-paka sary io no mampatavy ny dahalo», hoy ihany izy. Tsy ampianarina andrimasom-pokonolona intsony ny any Betroka, hoy Raveloson fa raha tena CT sy CST marina dia mitaky fanazavana maika amin’ireo minisitra tokony hoesorina ny momba ny kapiteny Amédé.

Nisaofy tokoa ingahy Raveloson raha nilaza fa ity zandry izay mba nianatra, teo anivon’ny Akademia no nalefa teny ambaravaran’ny tany mbola tsy fantany akory, tsy nisy fanomanana hany ka faty no niandry ny kapiteny Amédé izay ampahany ihany amin’ny tranga tsy rariny. «Ny sasany mirevirevy ao Fianarantsoa mandritry ny faran’ny herinandro, ny boay kely ary maty», hoy ihany izy nanitrikitrika. Nambarany fa raha misy fanalana minisitra tena maika dia ny misahana ny fiarovana, ny polisy, ny zandary, ny atitany, ny fitsarana no tena maika.

Mila ampamoaka ireo minisitra ireo fa maty ny havanay, hoy Raveloson niantsoantso. Tsy misy manaiky fanjakana ohatran’izao. Antananarivo efa ripaky ny jiolahy sy ny mpanendaka kanefa tsy misy miteny sa efa zatra, hoy Raveloson Constant. Efa akaiky moa ny fivorian’ny parlemanta, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity ka tsy hisy hanaiky ho ombalahy tanimangan’iza na iza. «Avareno alamina ny rafi-pitondrana ny tetezamita, avereno hifandanja ny hery ary ataovy ny tena tenierana. Avereno pasohana ny tetezamita», hoy ihany Raveloson Constant. Vola very fotsiny, hoy ihany ity solontenan’ny Mafana ity raha lazaina fa hotifirina amin’ny “lance-roquettes” ny dahalo. Ankoatra izay dia nohamafisiny fa tsy maintsy ho tonga ny filoha Marc Ravalomanana ka rehefa tonga eto Madagasikara izy, araka ny fanazavany, dia tsy olona mitangorona no ilaina fa olona hanangana faneva manerana ny Nosy. Samia mamory vahoaka, sahia mandray andraikitra, hoy ihany Raveloson Constant nanentana ireo mpiara-dia aminy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT