Voalohany ny fitsidihina nataon-dRtoa Ravelohanitra Nirina, solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe faharoa ny 08 marsa lasa teo ka nararaotina ny niresadresaka taminy momba ny raharaham-pirenena sy ny fahitany izany.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mitarazoka ity fanendrena Praiminisitra ity, aminao inona no mety antony ?
Ravelohanitra Nirina (RN) : Isan’ny mampitarazoka io fanendrena Praiminisitra io ny tsy fitoviam-pijery ao amin’ny andrim-panjakana mpanao lalàna dia ny vondrona MAPAR sy ny PMP, izany hoe ny tsy fanekena ny fifidianana ireo Birao maharitra no antony izay misy fiantraikany amin’ny fanendrena ny Praiminisitra. Izahay Antoko Maitso moa ao anatin’ny vondrona PMP ka efa eo am-pijerena ny hisian’ny fandaminana izahay amin’izao fotoana ka inoana fa hilamina io satria ny tombontsoam-bahoaka no tena jerena ho anay, fa tsy izahay eny izay vitsy an’isa akory.
T.T: Mandeha ny resaka amin’ny mety handravana ny Birao maharitra, isan’ny mitaky izany ve ianareo?
R.N: Ny resaka aloha dia efa mandeha tokoa ka ny hanamarina izany aloha hatreto mbola sarotra, fa dia mety hiankina betsaka amin’ny fivoaran’ny raharaha politika ihany izany. Na izany na tsy izany aloha dia isan’ny tsy ekenay avy amin’ny PMP ny fomba nanaovana ireo fifidianana sasantsasany ka miandry ny fivoaran’ny raharaham-pirenena izahay dia ho hita eo ny tohiny.
TT: Roa ianareo no solombavambahoakan’Antsirabe faharoa, izay samihafa antoko, manahoana ny fiaraha-miasa ?
RN: Matoa olona roa samy hafa antoko no voafidy dia mazava fa mila miara-miasa izany. Hatreto dia tsara ny fiaraha-miasanay satria tena misy ny fifanakalozan-kevitra sy fiarahana manao zavatra ary mametraka ihany koa imasom-bahoaka fa tokony ho fitaratra ny olom-boafidy amin’izay fahaizana miara-miasa izay, satria tsy misy afa-mandeha irery izany ho an’ny fampandrosoana.
TT: Ho anao manokana, inona no heverinao ho laharam-pahamehana ho an’Antsirabe faharoa ?
RN: Ny fijerena akaiky ny fiainan’ny tantsaha aloha izao no tena maika satria saika mpamboly sy mpiompy ny mponina Antsirabe faharoa. Eo ihany koa ny lafiny tsy fandriampahalemana satria na mamokatra aza ny mponina ka tsy milamina sy tony dia tsy hisy fandrosoana ho vanona izany. Manaraka izany dia ny fifamoivoizana amin’ny lalana mba tsy hitoka-monina izy ireo. Eo ihany koa ny jiro sy ny rano izay tena mbola lavitr’ezaka tanteraka satria tena midadasika ny toerana.
TT: Teny hamaranana ny resadresatsika.
RN: Amin’ny maha vehivavy ahy dia manetana hatrany ny vehivavy aho mba handray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena fa tsy ny ao an-tokatrano ihany, satria ny vehivavy dia tena mahavita zavatra tsara rehefa mandray andraikitra satria tena manao izany amin’ny fo tokoa, ka tokony hialana amin’izay ny tahotra sy ny sakana. Ankoatra izay dia mitodika amin’ireo sehatra rehetra mba hanome lanja sy hampihatra amin’izay ny miralenta, satria io ihany no fototry ny fampandrosoana an’i Madagasikara, fiaraha-mientan’ny tsirairay.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.