Politique

Ravalomanana sy ny TIM Nijoro ho mpanohitra ofisialy


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Ofisialy ny maha antoko mpanohitra ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Tafapetraka omaly maraina teny amin’ny minisiteran’ny atitany ny taratasy ofisialy nosoniavin’ny filoha nasionalin’ny Antoko Atoa Marc Ravalomanana.

 

 Nialoha ny nivoahan’ny valim-pifidianana depiote io. Fanajana sy fampiharana ny lalàna 2013-013, indrindra ny andininy faha-2 no antony. Amin’ny maha antoko mpanohitra, hanaraka akaiky ny fiainam-pirenena sy ny fampandrosoana. Any amin’ny firenena mandroso tahaka an’i Etazonia dia manaja tsara ny demokrasia sy ny fitondrana tan-dalàna, ary antoky ny fampandrosoana izany, hoy izy. Tamin’ny andron’ny HVM, dia tsy nampiharina io na nisy nijoro ho mpanohitra tahaka an-dry Hajo Andrianainarivelo aza, ka maniry ny fampiharana sy ny fanajana ny demokrasia ny TIM. Ny lalàna no mifehy ny toeran’ny antoko mpanohitra, ka apetraka amin’ny fahendren’ny minisiteran’ny atitany no mampihatra azy fa adidinay ny nanao fanambarana ofisialy, hoy ny Sekretera jeneralin’ny TIM. Raha mijery ny voka-pifidianana depiote dia marina fa ny vondron’antokon’ny fitondrana no maro an’isa ary arahin’ny TIM. Tsy midika izany fa hipetra-potsiny izahay, fa tena handray andraikitra. Ny solombavambahoaka no tena hahafaha-maneho hevitra sy miteny ary indrindra manitsy ny zavatra tsy mety, na zavatra tsara tokony hotanterahina, hoy izy. Tsy ho mpanohitra mpandrava fa mpanatsara satria manana vina sy programam-pampandrosoana arahina paikadim-panatanterahana. Eo anatrehan’ny mety ho fampitambaran-kery amin’ny solombavambahoaka hafa, dia nambarany fa jerena ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra. Lojika ary endrika ny fifandanjan-kery ara-politika eto amin’ny firenena ny nijoroan’ny TIM sy i Marc Ravalomanana ofisialy, indrindra taorian’ny fifidianana filoha. Ny mpanohitra dia arofanina, ary miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Kihon-dalana lehibe eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara io !

 

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT