Tamin’ny fomba makotrokotroka no nandraisan’ny vahoakan’i Betafo an’i Marc Ravalomanana, izay tonga tany an-toerana omaly. Tonga tany an-toerana nanolotra sy nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ny kandida atolotry ny TIMK25 dia Razafindrakoto William José sy ny ekipany ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Vonona ny hiady ho an'ny tombontsoan'ny aty amin'ny faritra eny amin'ny antenimieram-pirenena izy.
Ny fanaovana sy fanolorana lalàna, ny fandaniana na tsia ireo tolo-dalàna araka izay mety sy mifanaraka amin'ny hetaheta sy filan'ny mponina aty, ary ny fanairana sy ny fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka no anisan’ny adidy lehibe ho azy ireo, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. Tarigetran’ny antoko TIM moa ny hamerina amin’ny hasiny ny fomba fanaovana politika eto mba tena ho matihanina sy hitovy lenta amin’ny any ivelany. Zava-dehibe ny fikatsahana ny soa iombonana eny amin’ny antenimieram-pirenena mba hahafahan’ny Malagasy tena miarina sy mivoatra ao anatin’izao fahantrana lalina izao. Foto-kevitra sy ny tanjona iraisana dia ny fampandrosoana sy fampivoarana ny fiainan’ny Malagasy rahateo no novoizin’i Marc Ravalomanana hatramin’izay. Ankasitrahan’ny olona azy ny fahaiza-mitarika ananany sy ny fahatsorany ka hainy ny mifandray amin’ny sokajin’olona sy sokajim-piarahamonina rehetra. Raha fitantanana ny firenena dia mbola izy hatreto no nahavita nampandroso indrindra an’i Madagasikara. Tsy atao mahagaga ny fananany vahoaka maro ao an-damosiny satria tsaroan’ny maro ny soa nataony na tsy tonga lafatra aza izy, ary maro no mahatsapa fa mbola mila ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ny firenena. Manetsika ny olony hiara-kandray an-tanana ny firenena i Marc Ravalomanana, ka manamafy ny heriny ao anatin’izao fifidianana izao. Tsy mipetrapetraka fa raikitra ny “Rodoben’ny mpanangana” satria ny hahazo maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena hahafaha-mandray andraikitra feno amin’ny firenena no tarigetra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.