Fanopoam-pivavahana lehibe no hotanterahina etsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo rahampitso 4 mey ho an’ny Antoko Tiako i Madagasikara io. Fotoana io hanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo kandida atolotry ny TIMK25 amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao.
Ho avy eny an-toerana mazava ho azy i Marc Ravalomanana hitsodrano ireo kandida nametrahany ny safidy hitondra ny lokon’ny antoko, araka ny fampahafantarana efa mivoaka amin’izao fotoana izao. Voizina ao anatin’izao fihaonana sy fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao moa ny hoe : « Isika mpandresy, fa isika tsy resy ». Miezaka mampiseho hatrany i Marc Ravalomanana sy ny TIM amin’izao fa mbola ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka ary tsy mbola azo ailika amin’ny tontolo politika eto Madagasikara. Fanambin’ny TIM ny haneho hatrany, fa tsy azo hozongongozonina eto Antananarivo ary tsy latsa-danja any amin’ny faritra. Mametraka fanamby amin’ny hibatana toerana maro an’isa amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao, ka ho hita eo ny voka-pifidianana. Miezaka mampiseho ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa mijery sy mahita ary tena mahalala ny olana sedrain’ny Malagasy manerana ny Nosy. Ny 29 aprily teo, ohatra, dia nidina ifotony tany amin’ny kaominina Andranovory, ka nahita ny EPP Andarimihomaka tena tsizarizary. Santionan'ny fahantrana mihatra amin'ny vahoaka izao. Ny atao hoe mpitondra vonona dia mila mamolavola olom-pirenena vanona amin'ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fanabeazana ireo ankizy. Heveriko fa itony no tena ilana famatsiam-bola haingana, hoy izy nahita ilay sekoly tena mahonena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.