Taorian’ny teto Antananarivo sy Toamasina, dia nakaton’ny Sampan-draharahan’ny hetra omaly ihany koa ny Tiko AAA any Andranomanelatra Antsirabe, orinasan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro no efa somebiseby tao Andranomanelatra misy ny orinasa Tiko AAA ny mpitandro filaminana, ary tamin’ny 3ora sy fahefany teo no niroso tamin’ny fanakatonana tonga avy amin’ny sampan-draharahan’ny hetra. Tokony 15 andro aorian’ny fampandrenesana ny orinasa no tokony hirosoana amin’ny fanakatonana. Ny 22 aogositra ny taratasy no tonga, izay mbola manana 8 andro ny orinasa nahafahana mameno ny fepetra notakiana. Nilatsaka anefa ny baiko midina, ka tsy maintsy akatona ihany ny orinasa. Nisy ny fifandirana teo amin’ny mpiasa sy ireo mpanakatona, saingy tsy afa-nanoandro ireo mpiasa, fa nanaiky izany tsy fidiny. Mafampana ao Antsirabe sy ny manodidina amin’izao fotoana izao. Sahiran-tsaina sahady ireo tantsaha eo anatrehan’ny fanakatonana ity orinasa ity. Tantsaha an’arivony rahateo no mamatsy ny vokatra, toy ny ronono ao amin’ny Tiko AAA. Tsy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay ezahina potehina noho ny lonilony politika irery no lasibatra, fa ireo mpiasa, ireo tantsaha manankina ny asa fihariany amin’ny orinasa no tena lasibatra.
HANDEMENA AN-DRAVALOMANANA…
Hasesy akatona ny orinasa mba hampalemy an-dRavalo, ka rehefa malemy izy dia ho pehana amin’izay tahaka an-dry Mbola Rajaonah, raha dinihina ny zava-misy. Politika io na inona na inona fanazavan'ny Foibem-pitantanana ny hetra eo. Angaha ara-dalana sy ara-potoana avokoa ny fandoavan-ketran'ny orinasa eto no ny AAA sy Tiko ihany no atao ohatran'izao?
FOTOANA TOKONY HAMPIROBOROBOANA NY ORINA MALAGASY IZAO
Ao anaty krizy isika no mahavita manakatona orinasa Malagasy mamelona olona an’aliny ka aiza moa no hisy fitoniana eto. Fotoana izao tokony hanomezana vahana ny orinasa sy ny vokatra Malagasy. Ny fanafarana entana avy any ivelany rahateo henjana be be satria maivana be ny vola vahiiny am-pelatanan'ny fanjakana, ny euro iray efa sandaina 4564,54Ariary omaly. Ny any amin’ny firenen-kafa manome vola sy manampy ny orinasa, fa ny antsika sady tsy manampy no mbola manao fahirano.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.